Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Jolay, 2012
Iran: Iza No Afaka Hisambotra Akoho?
Nisidina ambony lavitry ny 80% noho ny tamin'ny volana lasa ny vidin'ny akoho ary tahaka ny hidangana hatrany tsy ho takatry ny olona ny vidiny. Ireo mpiantsena dia mila mamoaka 70.000 rials (US $5.60) vao mahazo akoho iray kilao, manodidina ny avo telo heny amin'ny tamin'ny taona lasa.
Madagasikara: Mankafy ny Fiadiana Tompon-dakan'i Afrika 2012 ho an'ny baolina lavalava
Madagasikara no mampiantrano ny Fiadiana Tompon-daka nokarakarain'ny Konfederasiona Afrikana ho an'ny Baolina Lavalava (CAR), fifaninanan'ny Vondrona 1B nanomboka ny 4 Jolay hatramin'ny 11 Jolay lasa teo. Ireo firenena hafa tao amin'ny vondrona dia i Maraoka, Namibia ary Senegaly. Raha sahirana tamin'ny olana ara-toekarena sy ara-politika ny firenena nanomboka tamin'ny fanonganam-panjakàna tamin'ny 2009, miezaka ny miala amin'ny adin-tsainy isanandro ny vahoaka Malagasy amin'ny alalan'ny ekipa Nasionaly Malagasy amin'ny baolina lavalava, fantatra amin'ny anarana hoe "Makis de Madagascar" (Ny Maki an'i Madagasikara)
Siria: Mahatonga Hatezerana Sy Alahelo Ny Famonoana olona Tany Traymseh
Tamin'ny herintaona, nialohan'ny volana masin'ny Ramadany, ireo mpitandro filaminana Siriana izay tokam-po amin'ny fitondràn'i Bashar al-Assad dia namono olom-pirenena manodidina ny 45 tany amin'ny renivohitr'i Hama. Tamin'ity taona ity, tany amin'ny tanàna kely tsy lavitr'i Hama no niraraka ny rà, Traymseh, nefa inoana fa maro lavitra noho iny ny isan'ny maty
Arabia Saodita : Hiteraka any am-pigadrana ve i Arwa Baghadi ?
Gadra vavy Saodiana iray antsoina hoe Arwa Baghadi no efa akaiky ho teraka ao amin'ny fonja. Tamin'ny volana may 2011, ny Saudi Civil and Political Rights Association (ACPRA – Fikambanana momba ny...
Emirà Arabo Mitambatra : Fahatezerana noho ilay Fampisehoan'i Madonna Tao Risqué
Nanomboka ny fitetezam-paritra tany Afovoany tsinanana sy Afrika Avaratra tamin'ny 1 Jona IiMadonna ka nanatanteraka ny fampisehoany voalohany tao Abu Dhabi, Emirà Arabo Mitambatra, ny 3 sy 4 Jona. Niteraka fifandirana ny...
Maoritania: Hatezerana Amin'ny Fanohanan'ny Minisitry ny Raharaham-bahiny an'i Assad
Tamin'ny kabary nataon'ny minisitry ny raharaham-bahiny Maoritaniana Hamadi Ould Hamadi nandritra ny fivorian'ireo Naman'i Siria tamin'ny 6 Jolay, nilaza izy fa "herisetra sy valin-kerisetra" no zava-niseho tany Siria. Izany fanambaràna izany dia noraisina ho fanohanana ny fitondràn'i Bashar Al Assad, ka nahatezitra ireo mafana fo.
Ejipta: Iharan'ny herisetra ny Vehivavy Ao Amin'ny Kianja Tahrir
Vantany nambara ho Filoham-pirenena vaovao ao Ejipta i Mohamed Morsi dia nirohotra tao amin'ny kianja Tahrir ny vahoaka hankalaza izany. heniky ny firavoravoana sy ny hiaka ity toerana, izay foiben'ny revolisiona ejipsiana, ity. Nanazava...
Lahatsary: Misokatra Ny Fifaninanana Manerantany Horonantsarimihetsika Iray Minitra Momba Ny Tontolo Iainana
Manomboka ny fifaninanana horonantsarimihetsika iray minitra miompana amin'ny tontolo iainana andiany fahatelo karakarain'ny Tve Biomovies. Mahazo mandray anjara avokoa izay rehetra mihoatra ny sivy taona manana fakantsary ka manana hevitra hanao lahatsary (video) iray minitra miompana amin'ny lohahevitra mifandraika amin'ny tontolo iainana mba hahazoana loka $300 ahafahana mifaninana hahazoana loka goavana kokoa mitentina $1500 sy fandraisana anjara amin'ny valandresaky ny Firenena Mikambana UN COP 18 hotontosaina amin'ny volana Novambra.
Lahatsary: Manampy Ny Irakiana Hody An-Tanindrazana Ny Tetikasa Iray
Miezaka mafy manampy ireo Irakiana miandry ny fahavitan'ny atonta- taratasy fampodiana azy ireo ny Iraqi Refugee Assistance Project IRAP (Tetikasa Fanampiana Ireo Mpitsoa-ponenana Irakiana). Mitantara momba ireo mpitsoa-ponenana ity andian-dahatsary ity...
Vondrona Afrikana Malemy Ho An'ny Firenena Mikambana 53
Nikorotandrotana ny taona 2011 ho an'ny kaontinanta Afrikana tamin'ny fisian'ny revolisiona, fikasana hanongam-panjakana ary ny krizy politika mahery setra maro. Saingy nampalahelo moa fa nampiharihary ny hany fara-vitany amin'ny fiatrehany ireny toe-draharaha ireny ny vondron'ny firenena afrikana 53 izay manana ny iraka hanamafy ny fitoniana eo amin'ny faritra sy ny fampandrosoana.