· Avrily, 2011

Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Avrily, 2011

Iran: Hetsi-Panoherana Ho Anà Farihy Miha-Maina

Ampolony mahery ireo mpanao hetsi-panoherana no voasambotra tamin'ny 2 Aprily 2011 tao amin'ny faritr'i Azerbaijan Iraniana tao an-tanànani Tabriz sy Urmia (Avaratra-adnrefan'i Iran). Tamin'ity indray mitoraka ity ny hetsi-panoherana dia tsy ho an'ny demaokrasia na ny fahalalahana, fa fangatahana amin'ny governemanta mba hiaro ny Farihy Urmia, iray amin'ireo farihy lehibe indrindra manerantany misy rano masira.

07 Avrily 2011

Syria: Mofo dipaina sy Propagandy

Raha niditra amin'nyherinandro fahatelo ny fanoherana any Syria, dia nisy fileferana nataon'ny governemanta Assad mba hampitonena ny mpanao fihetsiketsehana. Androany dia nanakatona casino vaovao ao amin'ny fireneny ny fitondrana mba hahazoany sitraka amin'ny miozolomana mpitahiry nentin-drazana.

07 Avrily 2011

Libia: Ny Vahoaka Mitatitra Vaovao Avy Any Ambava-Ady

Mitohy voasivana ny lahatsary momba an'i Libia rotiky ny ady izay ifanandrinan'ireo mpanohitra amin'ny herin'ny Kolonely Muammar Gaddafi mba hanonganana ny fitondrany izay efa naharitra 42 taona. Ity misy fantina lahatsary farany nalain'ireo mpampiasa aterineto any ambava-ady amin'ireo tanàna lehibe mbola ifandroritana any Libia.

05 Avrily 2011

Fanenjehana mpitoraka blaogy liberaly jiosy

GV Mpisolovava

Richard Silverstein, jiosy liberaly iray mpitoraka bilaogy, no iharan'ny fanenjehan'ny elatra havanana mahery fihetsika avy amin'ny  nationaliste sy ara-pivavahana. Tao amin'ny bilaoginy Tikun Olam, namoaka filazana iray i Silverstein izay nalefa...

03 Avrily 2011

Syria: Fanoherana ny Kabarin'ny Filoha Assad

Nanao kabary tamin'ireo solombavambahoaka Syriana ihany ny Filoha Bashar Al Assad tamin'ny Alarobia 30 Martsa rehefa niandry ela sy nangataka andro maromaro. Niarahaba azy tamin'ny alalan'ny tehaka mirefodrefotra sy horakoraka ireo solombavahoaka tamin'ny fahatongavany tao, ary matetika ny kabary nataony no notapahan'ny solombavambahoaka iray manao tononkalo fiderana.

02 Avrily 2011