· Febroary, 2019

Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Febroary, 2019

Iran: Azo idirana indray ny FaceBook

GV Mpisolovava  19 Febroary 2019

Mitatitra ny tranokalam-baovao sy ny bilaogy Iraniana fa tsy voasivana intsony ny FaceBook any Iran. Milaza i Senoghteh fa nanery ny governemanta Iraniana hamerina indray ny FaceBook ny hetsika nasionaly sy iraisampirenena.

Iran: Voasivana ny Facebook sy Twitter

GV Mpisolovava  19 Febroary 2019

Tranonkala sy bilaogy Iraniana maro tahaka ny demokracy no nitatitra fa voasivana ny Facebook sy Twitter any Iran. Nilaza i Ghomar, fa te-handresy ny mpifanandrina aminy amin'ny fifidianana filoham-pirenena ny filoha Ahmadinejad satria maro kokoa izy ireo ao amin'ny tontolon'ny aterineto, tafiditra amin'izany ny Facebook.

Bahrain: Mandrahona ny fikatrohana antserasera sy manakana tranonkala marobe

GV Mpisolovava  18 Febroary 2019

Nandrahona ny fikatrohana antserasera indray ny minisitry ny fampahalalam-baovao sy ny kolontsaina Mai Alkhalifa tamin'ny tafatafany voalohany tamin'ny BNA (Bahrain News Agency) izay izy ihany no mitantana azy ary nilaza fa dingana voalohany ny fanakatonana ary mety handray fepetra bebe kokoa izahay mba hampihatra ny fitsipika "

Iran: Bilaogera voasazy higadra

GV Mpisolovava  18 Febroary 2019

Nitatitra ireo tranonkalam-baovao Iraniana maromaro, tahaka ny Amir Kabir [fa], tranonkalan'ny mpianatra fa voasazy higadra 36 volana an-tranomaizina i Omid Reza MirSyafi, Iraniana bilaogera sady mpanao gazety. Voampanga ho nanevateva ireo mpitondra fivavahana Iraniana sy nanao fampielezan-kevitra manohitra ny Repoblika Islamika izy.