Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Mey, 2015
Namoaka Lahatsary Mahery Vaika Miady amin'ny Fankahalàna Pelaka ny ‘Proud Lebanon’
Ho fahatsiarovana ny Andro Iraisampirenena Miady amin'ny Fankahalana Pelaka, Sarimbavy/Sarindahy ary Biseksa (IDAHOT), dia miantso ho amin'ny fampidirana ny zon'ny fiarahamonina LGBT hitovy amin'ny an'ny rehetra ny "Proud Lebanon".
Ireo Yemenita Sy Ny Zavakanto Anaty Fotoanan'ny Ady
Mampiasa ny zavakantony sy ny fahaizany mamorona mba hamarànana ny ady ao amin'ny fireneny ireo Yemenita, firenena izay ny mahantra indrindra any Afovoany Atsinanana. Ato ny fomba ataon-dry zareo.
Digital Citizen 2.8 (Olom-Pirenena Nomerika)
Ny Digital Citizen dia jeritodika fanao in-droa isan-kerinandro amin'ireo vaovao, politika ary fikarohana momba ny resaka zon'olombelona any amin'ny tontolo Arabo. Ity boky ity dia mijery ireo famoretana atao ao Kaoety, ny fanafihana DDoS tao Libanona, ary zavatra maro hafa.
Nisaona Ny Fahafatesan'ilay Mpanoratra Gazety Ammar Al Shahbander Tamin'ny Andro Iraisam-pirenena Hoan'ny Fahalalahan-gazety Ny Irakiana
Nisaona ny fahafatesan'ilay mpanoratra gazety Ammar Al Shahbander namoy ny ainy tamin'ny fipoahana baomba tanaty fiara tao Baghdad nataon'ny ISIS ny Irakiana.
Gazetiboky Sangany Ao Iran, Naato Taorian'ny Niresahany Momba Ny Tokantrano Maso Ivelan'ny Fanambadiana
Milaza i Shahla Sherkat, tonian-dahatsoratra, fa mbola antenainy ny hahafahany handresy lahatra ny fitsaràna hamela ny fiverenan'ny fanontàna indray. Araka ny tatitra dia noho ny fanoratan'ny Zanan-e Emrooz momba ny "fanambadiana fotsy" no nampiatoan'ny Kaomity Mpanaramaso ny Asa Fanaovana Gazety Ao Iran azy.
Manasongadina Ny Antontanisan'ny Voina Ao Yemen Ny Sarin'ny Loza Ao Yemen
Tamin'ny alalan'ny diezy Twitter #YemenInNumbers, nampiseho tamin'ny fomba vaovao ny loza ao Yemen tamin'ny alalan'ny sary tsotra sy manintona ny maso i Ruba Aleryani, mpianatra Yemenita ao amin'ny Oniversite Brown