Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Febroary, 2015
Iran: Tandindonin-doza Ny WhatsApp, Line sy Tango – Tsy Mifanara-tsaina Ny Filoha Sy Ny Fitsarana
Nolavin'ny Minisitry ny Kolontsaina, Ali Jannati, ny hiteny hoe ny governemanta no nanomana ny fametrahana fandraràna ny tolotr'ireo fampiasa telo ireo, saingy nohamafisiny fa mbola mijanona ho azo idiran'ireo mpampiasa aterineto ao Iran izy ireo
Gazety Iraniana Nakatona Noho Ny Pejy Voalohany Manasongadina Ny ‘Charlie Aho’ Ahitàna An'i George Clooney
Mipitika havia havanana ny gazety Iraniana, eo anelanelan'ny fanamelohana ilay herisetra tao Parisy sy ny fanenjehana ny manampahefana ary ry zareo samy zareo, noho ny fanehoankevitra nasetry ireo fanafihana.
Nodimandry teo amin'ny Faha-90 Taonany ny Mpanjaka Saodiana Abdula, ary Dimbiasin'i Salman 70 Taona
Taorian'ny honohono naharitra herinandro maromaro, dia nanambara ny fahafatesan'ny Mpanjaka Abdulla bin Abdulaziz, 90 taona, i Arabia Saodita androany [23 Janoary 2015]. Ankehitriny izy dia dimbiasin'ny rahalahiny Salman, 79 taona.
Fihazohazoan'i Yemen
Lasa firenena iray tsy misy filoha sy governemanta i Yemen, izay faritana mazàna ho "fanjakàna tsy alehany". Sahiran-tsaina ireo Yemenita monina ao anatin'ny fireneny amin'ny fivoaran'ny raharaha henjana faramparany teo tao Yemen