Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Jolay, 2014

Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Jolay, 2014

Vaovao Mafàna: Manomboka Fanafihana An-tanety Ao Gaza i Israely

Nanomboka niditra ao Gaza ny tafika Israeliana, andro folo taorian'ny daroka baomba izay nahafatesana Palestiniana 200 mahery. Mitranga ity firotsahana an-tanety ity taorian'ny nandàvan'ny Hamas, izay mitondra ao Gaza, ny fampitsaharana poa-basy naroson'i Ejipta

Maneho Hevitra Amin'ny Fanavaozana Ady Amin'i Gaza ny Israeliana

"Miteny daholo fa heloka an'ady ny mitifitra amin'ny sivily, fa tsy misy mahita sivily ny andaniny sy ny ankilany," hoy ny siokan'ilay Israeliana ankavia fironana Noam.

Ahoana No Hanivahana Amin'ny Fanarahamaso Ataon'ny Governemanta Ejipsiana Amin'ny Aterineto

Manolotra tari-dalana hanakanana ny Fanarahamaso ny Aterineto ataon'ny Minisiteran'ny Atitany i Tarek Amr.

Adim-pampielezan-kevitra : Kaonty Twitter Rosiana Manakiana ny ” Fandrosoana” ataon'i Etazonia any Iràka

Olona iray manoratra amin'ny teny rosiana no namoaka ny fiantsiana farany tamin'ny aterineto ny governemantan'i Etazonia, raha nanokatra kaonty twitter mitondra ny anarana @IraqProgress.

Ankoatra Ny Lohatenin'ny Mondialy: Ranomaso ao Brezila, Etona Mandatsa-dranomaso ao Bahrain ary Voina any Qatar

Mila mahafantatra zavatra mihoatra noho ny football ianao hahatakaranao ny Mondialy. Manolotra ny vaovao lehibe eo amin'ny resaka fahalalaham-pitenenana sy zon'olombelona i Deji Olukotun.

Noroahin'i Bahrain Ny Iraka Manokana Amerikana Misahana Ny zon'Olombelona

Bahrain, anjakan'ny fianakaviana Sonita al-Khalifa, no mitsena ny tsikera eo amin'ny sehatry ny zon'olombelona hatramin'ny namotehan'ny miaramila ny hetsi-panoherana notarihan'ny Shi'ita manohitra ny governemanta tamin'ny 2011.

Lisitr'ireo Vakiteny Fahavaratra Avy Amin'ireo Mpikambana Global Voices Teny Frantsay

Mila vakiteny amin'izao fahavaratra izao? Indreto lisitry ny boky avy amin'ireo mpanoratra mpiteny frantsay ny ankamaroany izay atolotr'ireo mpikambana ato amin'ny GV.

Sazy An-tranomaizina 15 Taona No Azon'ilay Saodiana Mpisolovava Waleed Abulkhair

Nahazo sazy 15 taona an-tranomaizina ilay mpiaro ny Zon'olombelona malaza, Waleed Abulkhair androany, izay tafiditra ao anatin'ny famoretana mitohy ataon'i Arabia Saodita amin'ireo mpikatroka ny zon'olombelona.

Sary Nalaina Mampiseho An'ireo Israeliana Mijery Ny Fandarohana Baomba An'i Gaza

Tamin'ny fiandohan'ity herinandro ity, nanatontosa "Bemidina fampandrian-tany" goavana tao Gaza i Israely, ka Palestiniana maherin'ny 80 no namoy ny ainy hatramin'ny androany, izay ankizy amam-behivavy no maro.

Libanona: Vehivavy Ivoariana Nitaky Karama Dia Natosika Avy Eny Amin'ny Rihana Faha-6

Vehivavy Ivoariana hita faty taorian'ny voalaza fa nanosehana azy avy any amin'ny rihana faha-6 amin'ny tranobe iray taorian'ny fifamaliana tamin'ny mpampiasa azy momba ny fandoavana ny karamany