Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Desambra, 2013
Olona 7 Avy Ao Amin'ny Tranokalam-baovao Momba Ny Teknolojia Nosamborin'i Iran
Manana tantara lavabe momba ny famoretana ny fahalalahana ara-dizitaly ny Repoblika Islamika, saingy sokajiana ho pejy vaovao indray ny fisamborana ireo olona marobe izay manoratra momba ny "gadget" sy ny teknolojia.
Voafidy Hampiantrano Ny “Expo2020″ i Dubai!
Dubai no voafidy hampiantrano ny Fampiratiana Ara-barotra Manerantany "World Expo trade" amin'ny 2020. Mankalaza izany ny tontolon'ny Twitter.
Manery Ny Mpifindramonina Hifanolana Ireo Mpanao Trafikan'Olombelona Ao Sinai
Olona manodidina ny 30 000 eo ho eo no tratran'ny trafikan'olombelona ho any Sinai, Ejipta, nandritra ny dimy taona farany. Nisioka avy ao amin'ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety mombaity raharaha ity ny mpanao gazety iray monina ao Kairo antsoina hoe Bel Trew hanapongatra "ity raharaha tsy misy mpiresaka ity"
Mitomany An'i Ahmed Fouad Negm, ilay Poetin'ny Vahoaka i Ejipta
Nodimandry omaly teo amin'ny faha-84 taonany i Ahmed Fouad Negm, ilay Ejiptiana poetin'ny Revolisiona. Mitomany noho ny fahafatesany ireo mpisera anaty aterineto manerana ny tontolo Arabo.
#StopPrawlerPlan: Mpikatroka Manohitra Ny Fandravana Tanàna Palestiniana Voasambotra Any Isiraely
"Tsy ho tafita i Prawer", hoy ny hiakiaky ny mpikatroka Palestiniana sy Isiraeliana tamin'ny androm-pihetsiketsehana hanoherana ny planina Prawer-Begin izay raha tafapetraka dia hamindra toerana ireo Bedouins Palestiniana monina any Al Naqab.
Fanentanana Hanendrena Ilay Mpikatroka Saodiana Amin'ny Loka Nobel Hoan'ny Fandriampahalemana
Nandray ny solosainany ny Saodiana mba haneho fanohanana amin'ny fanendrena ilay Saodiana mpiaro ny zon'olombelona Dr Abdullah al-Hamid hofidiana hahazo ny Loka Nobel-n'ny Fandriampahalemana 2014.
Poeta Iray Avy Ao Qatar Voaheloka Noho Ny Fandrahonana Hanongam-panjakana No Resy Teo Anoloan'ny Fitsarana
Nanmafy ny Qatar's Court of Cassation, fitsarana tao Qatar ny amin'ny fampidirana am-ponja ny poeta Muhammad Rashid al-Ajami ho 15 taona an-tranomaizina. Ny helony ve? " Ny Fandrahonana Hanongam-panjakana" tamin'ny alalan'ny tononkalony.