Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Jolay, 2012
Syria/Torkia: Manao Fihetsiketsehana Noho Ny Tsy Fahampian-drano Ao Amin'ny Tobin'i Kilis Ireo Syriana Tsy Manan-kialofana
Nanao fihetsiketsehana nanohitra ny tsy fahampian-drano ireo tsy manan-kialofana Syriana ao amin'ny Tobin'ireo Tsy Manan-kialofana ao Kilis, any amin'ny sisin-tany Syriana sy Tiorka. Polisy miisa efatra sy tsy manan-kialofana miisa telo no voalaza fa naratra.
Tonizia: Tambazotra An-tserasera Hanarahana Maso Ny Fanararaotana Diso Tafahoatra Ataon'ny Mpitandro Filaminana
Ny Yezzi dia tambajotra an-tserasera ahafahana maneho firaisan-kina eo amin'ny filazana vaovao na fanaovana tatitra mikasika ny fanararaotan'ny mpitandro filaminana sy ny fanaovan'izy ireo fomba ratsy. Nandritry ny taona maro, tsy nisy nahatsikaritra - ary tsy voasazy ny kolikoly aton'ny mpitandro filaminana ao Tonizia. Miresaka momba izany fomba ratsy izany ny vahoaka, nefa vitsy ireo sahy miresaka izany ampahibemaso, na koa mampahafantatra izany amin'ny Fitsarana. I Yezzi dia nanome fahafahana ireo izay efa sendra izany fanararaotan'ny mpitandro filaminana izany hanao tatitra ireny trangan-javatra ireny, ary afaka tsy mitonona anarana izy ireo raha tiany izany.
Ejipta: Lahatsary Fanadihadiana Mpanao Gazety Tao Anatin'ny Revolisiona Atao Fitetezam-Paritra Any Etazonia
Tenin'ny nanatri-maso (Words of Witness), mitety faritra ao Etazonia ilay “lahatsary fanadihadiana” momba ilay tovovavy mpanao gazety nitatitra mikasika ny revolisiona Ejipsiana. Nandeha voalohany tao amin'ny fetiben'ny sarimihetsika ao Kalifornia...
Ejypta: Manoro Hevitra Ireo Syriana Ny Ejypsiana
Mizara toro-hevitra amin'ireo Syriana ny Ejypsiana -ao amin'ny Twitter. Amin'ny alalan'ny tenifototra manokana, sy torohevitra manomboka amin'ny hoe “aza maka sary miaraka amin'ny fiara mifono vy” ka hatramin'ny “mandraisa torohevitra avy...
Syria: Lazain'ny Mpiserasera Ho Manomboka Ny Fiafaran'ny Fitondrana Bashar
Malaza ny Twitter mikasika ny fanombohan'ny fihongananan'ny fitondran'i Assad, taorian'ny fipoahana baomba tao Damaskosy izay nahafatesana olona telo mpikambana ambony ao amin'ny presidansan'i Bashar Al Assad. Arwa Damon avy ao...
Bus Mpizaha tany Isiraeliana Voatafika Tany Bolgaria
Farafahakeliny fito no maty tamin'ny fanafihana tanora Isiraeliana tao amin'ny bus ho an'ny mpizaha tany tao amin'ny seranam-piaramanidin'i Burgus tao Bolgaria. Milaza ny tatitra fa nataona mpitondra baomba manao vivery ny...
Libanona: Resadresaka Nifanaovana Tamin'i “Brofessional Review”
Sivy volana lasa izay, nanangana bilaogy mifandraika amin'izay rehetra miompana amin'ny haibika (design) ry zareo. Miandry fatratra izay avoakany na ny heviny ny mpamaky raha vao misy marika na doka fanentanana na varoboba mipaka any amin'ny tsena. Nifampitafatafa tamin'izy ireo hahalalana bebe kokoa amin'izay ataony ny Global Voices Online
Yemen: Ela Ny Ela, ao Sanaa ny TEDx !
Misy fientanentanana be ao Yemen sy eny anivon'ireo mpiondana aterineto fa tonga ao Sanaa ihany ny TEDx nony farany rehefa azo ny fahazoan-dàlana hanao ilay hetsika ny 13 Jolay 2012. Marobe ireo Yemenis hanam-bintana hizara n y nofinofin-dry zareo, n y traikefany ary ny heviny, izy samy izy sy amin'izao tontolo izao amin'ny Desambra 2012.
Iran: Zazavavy Kely 13 Taona Ve No Atahoran'ny Fitondràna?
Tsy ela akory izay dia niteraka fisavoritahan-tsaina ny fitsaràna iray momba ny filaminana tamin'ny nanakànany ny fivahinianana any ivelany ho an'ny zanaka vaviny 13 taona, Mehraveh Khandan sy ny vadin'i Nasrin Sotoudeh, mpisolovava mpiaro zon'olombelona mbola any amponja. Nasrin Stoudeh dia voaheloka hifonja 11 taona an-tranomaizina.
Ejipta: Naka ny Pop Corn-ny Ny Farao Lehibe
Nandritra ny fifidianana filoham-pirenena farany teo, tsy nankasitrahan'ny Ejipsiana loatra ireo nosafidiany tamin'ny fiodinana farany; nanapa-kevitra ny tsy handray anjara amin'ny fifidianana ny sasany raha nifidy ny kandidà iray noho ny tahotra ilay kandidà hafa kosa maro hafa. Ankehitriny efa i Mohamed Morsi, kandidàn'ny Mpirahalahy Miozolomana, no filoha. Mizara ny heviny ny mpiserasera