· Avrily, 2012

Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Avrily, 2012

Tonizia: Eny An-dalambe Ny Mpamaky Boky!

  16 Avrily 2012

Taorian'ny herinandro vitsivitsy nisian'ny fihetsiketsehana tao Tunis, nambara indray ny fisiana hetsika vaovao, antsoina hoe "L'avenue ta9ra", na "Mamaky [boky] ny Lalambe". Antsoina amin'izany ny Toniziana hitondra ny bokiny ho eny amin'ny Lalambe Habib Bourguiba, toerana ahafantarana indrindra ny renivohitra, sy handraisana anjara amin'ny fiarahana mamaky boky.

Soeda: Mitsidika An'i Rinkeby, Ambany Tanàna Be Mpiavy Ao Stockholm

  16 Avrily 2012

Malaza noho ny fahamaroan'ny mpifindra monina ao aminy ny fokontanin'i Rinkeby ao Stockholm, Soeda. Mitantara ny fitsidihany io faritra io izay mba te-hijerijery izany faritra izany. Monina any Stockholm ny mpanao gazety sy bilaogera Yemenita Afrah Nasser. Nanoratra momba ny nitsidihany voalohany an'i Rinkeby izy tao amin'ny hafatra bilaogy tamin'ny 6 Avrily 2012....

Matin'ny Bala Iray i Ahmed Ismael, Tsy Toy Izany Kosa Ireo Lahatsariny

GV Mpisolovava  15 Avrily 2012

Rehefa miresaka mikasika ireo olo-malazan'ny tolona ho amin'ny fahalalahana, dia mahatsiao foana an'ireo olon-tsotra mpitati-baovao aho. Ireny tanora lahy sy vavy izay mampakatra lahatsary sy fanavaozam-baovao anaty aterineto ireny mba ho hitan'izao tontolo izao no tena mahery fo marina tokoa. Tsy zavatra mora akory izany hoe eny anivon'ny famoretana ataon'ny polisy izany sady mandrakitra anaty lahatsary sy saripika. Ireny mpiady tsy mitonona anarana ireny no mahery fo manan-daza ho ahy.

Tonizia : Maro Ny Naratra Tamin'ny Fifandonana Nandritra Ny Andron'ny Maritiora

  14 Avrily 2012

Ireo mponina anaty aterineto ao Tonizia sy ireo vondron'olona mafana fo dia tena nalahelo tokoa ny 6 Aprily 2012,tamin'ny nanakanan'ny polisy ilay hetsi-panoherana nokasaina atao ho fahatsiarovana ireo Maritiora. Nitranga izany andro vitsy monja taorian'ny fidinana an-dalambenireo tanora tsy an'asa izay noravan'ireo polisy an-kerisetra.

Jordania : Lasa Ny Herintaona, Mitohy ny Fifandroritana

  14 Avrily 2012

Ny faha 24 Ny faha 24 Marsa, 2012 - herintaona ilay Faran'ny herinandro izay nanohina ny Jordania iray manontolo, ka nampisondrotra ny finiavana ho amin'ny fanovana. Io no tsingerintaonan'ilay faran'ny herinandro nanaovan'ny andiam-bondrona isankarazany avy ao Jordania hidina an-dalàmbe tao amin'ny lalàmben'i Amman nanaovana hetsika am-pilaminana ary nifanandrina tamin'ny vondrona mifanohitra aminy izay manao azy ireo ho 'Home Calling' na 'Miantso ny Tanindrazana' (Nidaa Watan)

Mali: Tombouctou, Tandindonin-Doza Ny Haren-Kolontsaina

  14 Avrily 2012

Mampahatsiahy zavatra malaza sy toetr'andriana izany anarana Tombouctou izany ho an'izao tontolo izao. Nefa mahatandindonin-doza an'i Tombouctou ny ady any avaratr'i Mali sy ny fisian'ireo henja-pihetsika vitsy dia vitsy an'isa ao. Maro ireo mampaneno lakolosy fanairana.

Tonizia: Fihetseham-po Samihafa Tamin'ny Fisovohana Ny Mailaky Ny Praiminisitra

  13 Avrily 2012

Niditra an-tsokosoko tamin'ny mailaky ny praiminisitra Toniziana Hamadi Jebali tamin'ny 8 Aprily teo ny Anonymous Tonizia (izay milaza fa sampan'ny vondrona mpisovoka (hackers) Anonymous). Hetsika   tafiditra amin'ilay hetsika goavana ” Operation Tunisia Back” (Miverina i Tonizia) io Hetsika Avelao i Toniziako “Operation Touche pas à ma Tunisie” io. Ny ampitson'ny revolisiona taona  2011, mpikambana ao...