· Desambra, 2011

Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Desambra, 2011

Ejipta : Fanondranana Ny Taovan'Ireo Mpifindra Monina Ao Sinai

  07 Desambra 2011

Ny Vondrona Iraisam-pirenena Miaro ny Zon'olombelona, ao anatin'izay ny ao Israely, dia nanao fanambarana entitra fa ireo mpifindra monina Afrikana dia tazonina mba hakàna vola, ampijaliana, ary iharan'ny fanondranana ihany koa. Ny mahataitra indrindra dia ilay fanambarana fa ny famarotana taovan'olombelona dia miroborobo ihany koa.

Syria: Afaho i Razan Ghazzawi

  05 Desambra 2011

Nosamborin'ny manampahefana Siriana tao amin'ny sisintany manasaraka an'i Jordania sy Syria androany (Alahady 04 Novambra2011) ilay bilaogera Razan Ghazzawi. Teny an-dàlana hanatrika ny atrikasa momba ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety eo amin'ny tontolo Arabo izay hatao ao Amman i Ghazzawi no izao voasambotra izao. Niteraka fanakianana sy hatezerana avy amin'ireo bilaogera sy mafàna fo maro manerana ny tany ny fisamborana azy, izay mangataka ny hamotsorana azy tsy misy hatak'andro.

Ejipta : Famintinana Ilay Hetsi-panoherana Revolisionera Andiany Faharoa Farany

  04 Desambra 2011

Miran Hosny dia namintina ilay hetsi-panoherana andiany faharoa farany tao Ejipta. Ny isan'ireo olona maty ao Ejipta dia efa eo amin'ny 40 eo ary araka ny nambara dia mbola nanohy ny fanafihana sy ny fangalam-piery tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana ny "Central Security Forces" sy ny polisy, izay mitoraka entona mandatsa-dranomaso sy entona simika hafa izay mbola tsy fanta-piaviana azy ireo

Global Voices Podcast: Teknolojia hanomezan-kery bebe kokoa ny vehivavy!

  03 Desambra 2011

Ato isika no handre ny fomba fampiasan'ny vehivavy any Ejipta ny teknolojia hiadiana amin'ny fanorisorenana, sy izay ataon'ny tonia sy mpanoratra ao amin'ny Global Voices ao amin'ny Fetiben'ny Mozilla ao Londres. Homarihantsika ihany koa ny Andro manerantany iadiana amin'ny Sida amin'ny fanomezana fitenenana ireo mpikatroka momba ny resaka VIH/SIDA any Kenya sy Ejipta momba ny asa manokana ataon'izy ireo.

Ejipta: Androm-pifidianana

  02 Desambra 2011

Handeha hifidy izay ho solombavambahoakany ny Ejypsiana ny 28 sy 29 Novambra 2011 [Naotin'ny mpandika: mbola tsy nandeha tamin'ny nanoratana ny lahatsoratra fototra] , na dia eo aza ny fiantsoana tsy hifidy, dia hita fa nanapa-kevitra handray anjara avokoa ny ankamaroan'ny olona. Tsy ny Ejypta rehetra no handeha hifidy amin'io daty io;...

Iran: Voaroba ny Ambasady Britanika

  01 Desambra 2011

Ny 29 Novambra 2011, olona tokony ho arivo eo ho eo no nanao fihetsiketsehana teo akaikin'ny Masoivoho Britanika tao Teheran rehefa nanapaka ny fifandraisana ara-bola tamin'i Iran noho ny fandaharan'asa nokleary i Angletera. Nilamina ny fihetsiketsehana, nialoha ny nanakorontanan'ny sasany ny fanorenana.