· Janoary, 2011

Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Janoary, 2011

Frantsa: Ilay akamanay taloha manahirana, Monsieur Ben Ali

  24 Janoary 2011

Nipoitra ihany. Mahatsapa ny fanaovana mody fanina ao anatin'ny fotoana maharitra ataon'ny mpanao politika frantsay sy ny gazety mahazatra, noho ny fifankatiavana naharitra ampolony taona maro (teo amin'i Frantsa sy) teo amin'ny fitondrana Ben Ali ny mpamaham-bolongana frantsay sy ny mpisioka an-tserasera - ka hametraka tantara ho an'ny iray amin'ny zanatany Frantsay teo aloha, Tonizia, sy ho an'ny herinandro manantantaran'ny fahadisoana diplaomatika sy ny fanginana mahamenatra tany Frantsa.

Iran: Liona 14 novonoina tany amin'ny saha fiarovam-biby tany Tehran

  24 Janoary 2011

Tezitra sy malahelo ireo mpitoraka bilaogy mikasika ny famonoana liona 14 tany amin'ny saha fiarovam-biby any Tehran. Nitatitra ny media Iraniana fa novonoina ireto liona ireto satria nahitana aretina entina otrikaretina mitondra ny anarana hoe glanders, izay fahita any amin'ireo soavaly, apondra, sy ny zana-tsoavaly. Herinandro roa talohan'izay, maty ny tigra...

Tonizia, Alzeria: Tsy havoaka amin'ny fahitalavitra ny revolisiona

  24 Janoary 2011

Nisarika ny fifantohan-tsain'ny mpitoraka blaogy any amin'ireo firenena roa tonta ireo ny fanoherana any Tonizia sy Alzeria. Toa mitàna toerana lehibe eo amin'ny fitantaràna ireo tranga miseho momba ny sivana mahery vaika mihatra amin'ny haino aman-jery mahazatra (matetika an'ny fanjakàna) sy ny  aterineto ny media sosialy. Indro misy topimaso amin'izay...

Frantsa: Filaharam-pireharehana Toniziana tany Parisy

  24 Janoary 2011

Anio, 15 Janoary, no manamarika ny "iray andro taoriana"sy ny andro voalohany naha-afaka an'i Tonizia tamin'i Ben Alia. Na eo aza ny ahiahiny momba ny herisetra tsy miato any Tonizia, ny havany ary ny hoavy, nampanantena tena ireo Toniziana 600 000 any Frantsa faindray andro any dia hifaly, hankalaza ary hizara fihetseham-po mahafinaritra iraisana. Ireto misy sary vitsivitsy avy amin'ny fampisehoana fireharehana Toniziana tany Parisy.

Liban: manohana ny fanoherana ny “Pinochet Arabo” ny mpitoraka bilaogy

  17 Janoary 2011

Niray feo tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana tany Tonizia izay araka ny heno hatreto aloha dia olona 24 no maty ireo mpitoraka bilaogy any Liban. Fanehoana fiaraha-miory sy fanohanana ny tanora avy any Tonizia izay manohitra ny jadona sy ny kolikoly ary ny tsy fahaiza-mitantana ataon'ny filoha Zine el Abidine ben Ali,...