· Aogositra, 2010

Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Aogositra, 2010

Blackberry misedra tsindry any amin'ny Golfa sy India noho ny ‘code’ fanafenana [Encryption code]

GV Mpisolovava  06 Aogositra 2010

Ny ’ Sampan-draharaha Mpandrindra ny Fifandraisan-davitra [Telecommunications Regulation Authority (TRA)] any amin'ny Emira Arabo Mitambatra sy ny  Kaomisiona Saodiana misahana ny Teknolojian'ny Fampitam-baovao sy Fifandraisan-davitra [Communications and Information Technology Commission (CITC)]  dia nanambara, ny 1 Aogositra ho an'ny voalohany ary ny 5 Aogositra 2010 ho an'itsy faharoa, fa hosakanan'izy ireo...

Fifaninanana manao horonantsary: Aterineto ho an'ny Fandriam-pahalemana

  04 Aogositra 2010

Voatodro ho isan'izay handray ny Loka Nobel 2010 ho an'ny Fandriampahalemana ny Aterineto. Ao anatin'ny adihevitra ao amin'ny fanampiana entin'ny aterineto amin'ny fiaraha-monintsika, Condé Nast sy Google Ireland dia niaraka nikarakara ity fifaninanana manao horonantsary ity ary dia hanana tombony hitety toerana sy hahita ireo horonantsariny handeha amin'ny MTV Italiana ny mpandresy.

Qatar: Manontany izay tetikasa amin'ny hoavy ireo miasa ivelan'ny tanindrazana

  02 Aogositra 2010

Raha mponina efa ela tany amin'ny iray amin'ireo firenen'ny GCC ianao, inona ireo tetikasa maharitra anananao? Inona no hataonao rehefa tafaverina an-tanindrazana? Ao amin'ny Qatar Living, miezaka mamaly ny fanontaniana tsy azo idifiana ireo niala ny tanindrazany: Inona no hataony rehetra miverina an-tanindrazana izy ireo?

Maraoka: Blaogin-tsary vaovao an'i Agharass

  02 Aogositra 2010

Ilay mpitoraka blaogy Maraokana Agharass dia fantatra amin'ny blaoginy malala-pijery miaraka amin'ireo lahatsoratra (amin'ny teny Frantsay) momba ny lohahevitra isan-karazany manomboka any Palestina ka hatrany amin'ny kolotsaina pop, matetika voaravaka amin'ireo sary avy amin'ilay mpitoraka blaogy manokana. Agharass izao dia manana blaogin-tsary antsoina hoe "Portfolio de Agharass!"

Frankofonia: Mihatsara tahaka ny divay antitra ny Twitter

  01 Aogositra 2010

Nitamberina somary nalaza kely tanatin'ny ora tsy nampoizina ny hash tag, #jesuisvieux, ao anatin'ny valan-tserasera mpiteny frantsay. Hatramin'ny faha-26 Jolay dia somary nitodika tany amin'ny fahatsiarovana ny mpampiasa twitter, mamoaka ny tsiahiny fahatanora miampy ny hash tag #jesuisvieux ( Antitra aho ity – lehilahy) na #jesuisvieille ( Antitra aho ity –...

Qatar: Mizaka ny fanovàna laharan'antso ho isa valo ireo mponina

  01 Aogositra 2010

Ao anatin'ny ezaka ho fiatrehana ny filàn'ny ampitso, novain'i Qatar ny ankamaroan'ireo laharan'antso rehetra na finday na ny mampiasa tariby, miala amin'ny isa fito hanjary ho valo. Mitaraina ny mponina, saingy mahita fa toa mora ihany tsy araka ny noeritreretina ilay fiovàna.