· Jolay, 2010

Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Jolay, 2010

Jordania: Vita avy any Israely

  05 Jolay 2010

Ny fahitana ireo entana vita avy any Israely dia mbola miteraka hatairana manerana ireo firenena Arabo. Osama Al Romoh avy any Jordania dia mampiseho ny hatairany (Ar) rehefa nahalala fa manome akanjo famoahana voafono kitapo vita avy any Israely an'ireo mpianany ny Anjerimanotolo lehibe iray.

Iraka: Iza no ho Praiministra manaraka?

  05 Jolay 2010

Tsy nahita marimaritra iraisana ho amina kandidà tokana hapetraka amin'ny toeran'ny Praiminisitra ireo vondrona roa maro an'isa lany tamin'ny fifidianana, na dia efa natao tamin'ny 7 Martsa aza ny fifidianana ny ho parlemanta irakiana. Manana izay lazainy koa momba ny fikatsoana ireo mpitoraka blaogy ao anatin'ity lahatsoratra ity .

Egypta: Miketrika valifaty ny Minisitry ny atitany

  03 Jolay 2010

Nampiasa ny media amin'ny aterineto ireo mafana fo Egyptiana amin'ny fampiharihariana tanteraka ny kolikoly sy ny fampijaliana ataon'ireo mpitandro ny filaminana. Marwa Rakha manoratra mikasika ny fihetsehan'izy ireo niseho vao haingana ary manala sarona ny tranga mikasika ny mafana fo Egyptiana iray voatazona tany Libya ato amin'ity lahatsoratra ity.