· Avrily, 2019

Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Avrily, 2019

Iran: Nogadraina 14 taona an-tranomaizina ilay bilaogera

GV Mpisolovava  28 Avrily 2019

Nitatitra ny bilaogera marobe fa voasazy higadra 14 taona an-tranomaizina i Mehdi Khazali, bilaogera sady mpanao matoandahatsoratra. Voasazy amin'ny kapoka karavasy in-90 ihany koa ity bilaogera ity. Azony atao ny mampakatra fitsarana amin'ity sazy ity.

Koety: Navotsotra ilay bilaogera nogadraina

  27 Avrily 2019

Taorian'ny tabataba teo an-toerana sy avy any amin'ny faritra, navotsotra tany Koety androany vao maraina ilay bilaogera Koesiana Bashar Al-Sayegh. Raha nankalaza ny famotsorana azy ny bilaogera sasany, ny hafa kosa nampitandrina fa mety ho marika faneriterena bebe kokoa izay mety hampihenana ny fahalalaham-pitenenana ao Koety izany.

Bahrain: Ao amin'ny tany misy lalàna

  27 Avrily 2019

Gaga ilay bilaogera Bahrainita Khalid tamin'ny fanehoan-kevitra nataon'ny governemanta - taorian'ny namoahan'ny Minisitry ny Atitany baiko handràra ny famoahana fahazoan-dàlana ho an'ny mpiasa avy any Bangladesh - ao amin'ny firenena izay mirehareha amin'ny maha-demokrasia azy amin'ny lalàna sy lalàmpanorenana ao an-toerana.

Palestina: Mitàna ny fahatsapana maha-olombelona ao Gaza

  26 Avrily 2019

Satria miharatsy isan'andro isan'andro ny toe-draharaha ao Gaza, maro no miady tsy amin'ny fahasarotan'ny fiainana andavanandro ihany, fa amin'ny fiovan'ny soatoavina hita manodidina azy ireo koa, ao anatin'ny fiarahamonina izay lasa nanjakan'ny fisainana Islamista. Ao anatin'ity lahatsoratra ity, manoratra tabatabam-pahakiviana ny bilaogera iray ao Gaza .