· Janoary, 2019

Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Janoary, 2019

Famahanana bilaogy ho fikatsahana ny zon'ireo Kiorda 

GV Mpisolovava  28 Janoary 2019

(Marihina fa tamin'ny volana Aogositra 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Nanatevin-daharana hiady hananan'ny Kiorda ny zony ireo tanora bilaogera manerana ny Afovoany Atsinanana: “Ny tanjonay voalohany dia ny fampahalalam-baovao izay ilain'ny Kiorda mba hanehoana ny heviny, noho izany dia mangataka izahay mba hamelana ireo feo ireo hiteny, farafaharatsiny ato amin'ny...

Tonizia : Nosamborina noho ny fanalam-baraka ilay bilaogera Fatma Riahi

GV Mpisolovava  28 Janoary 2019

(Marihina fa tamin'ny volana Novambra 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Nampanantsoina tany amin’ny Borigady misahana ny Heloka bevava tao Gorjani (Tonizia), ilay bilaogera Toniziana no sady mpampianatra teatra Fatma Riahi (34 taona), fantatra amin’ny solon’anarana hoe Arabicca ao amin’ny Aterineto, ka nanontaniana momba ny ataony tao amin’ny Aterineto izy....

Noafahana ilay bilaogera Koranista Ejiptiana

GV Mpisolovava  26 Janoary 2019

Navotsotra ny 23 Janoary 2009 ilay bilaogera Ejiptiana, Reda Abdel-Rahman (32 taona) rehefa notanana hatramin'ny volana Oktobra 2009. Mpiasa ara-tsosialy tao amin'ny Ivontoeram-pivavahana mifandray amin'i Al-Azhar i Reda. Ity bilaogera tanora ity dia fantatra amin'ny maha "Koranista" (mpandala ny Coran) azy izay tsy mankato ny Sunnah

Ejipta : Ahiahy noho ny fampijaliana ireo bilaogera roa voafonja

GV Mpisolovava  26 Janoary 2019

(Marihina fa tamin'ny volana Martsa 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Nampijaliana nisaraka tao amin’ny foiben’ireo Hery fiarovana Ejipsiana ireo bilaogera roa. Nandritra izany, navotsotra ny iray tamin’izy ireo, raha notsaboina tao am-ponja kosa ilay faharoa. Nitantara ny filazan’i Adel izay noafahana ny 10 Martsa (2009) ny gazety Al-Dostour: La...

Nanjavona ilay bilaogera Ejiptiana

GV Mpisolovava  26 Janoary 2019

(Marihina fa tamin'ny volana Aogositra 2007 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Nitatitra ireo bilaogera tany Ejipta fa hita niady tamin'ny mpitandro filaminana talohan'ny nanampenana ny masony sy nitondrana azy nitsoaka tamin'ny fiarabe i Ahmed Saad Domah. Vao avy nanomana fanangonan-tsonia manohitra ny fitondran'ny filoha Hosni Mubarak moa ity poeta ity...

Arabia Saodita : Voasivana ny kaonty Twitter roa an’ireo mpikatroka

GV Mpisolovava  25 Janoary 2019

(Marihina fa tamin'ny volana Aogositra 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Nanakana ny fidirana tamin’ny Aterineto tamin’ny kaonty Twitter anankiroa ny Vaomieran’ny Teknolojiam-baovao sy ny Fifandraisana ( CITC) ao Arabia Saodita dia ny an’ilay bilaogera @Mashi97 sy ny an’ilay mpikatroka @abualkhair . Niseho ity bahana amin’ny kaonty Twitter ity noho...