· Desambra, 2018

Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Desambra, 2018

Ejipta: Bilaogera roa nosamborina

  22 Desambra 2018

Nitatitra  ny bilaogy Egyptian Watchman fa nosamborina i Ahmed El Geizawy avy ao amin'ny bilaogy  ana Bahebek ya Masr (Tiako ianao Egypt) sy Moataz Adel avy ao amin'ny bilaogy Manfa. Teo am-panatontosana ny fitantarana ny raharaham-pitsarana miaramila iampangana Mpirahalahy Miozolomana any Egypta ireo bilaogera roa ireo.

Fitempon'ny Tontolombolongana Saodiàna

  21 Desambra 2018

Tena herinandro milamina ho an'ny tontolombolongana Saodiàna ny herinandron'ny 13 Aprily 2006. Na izany aza, lahatsoratra tsara marobe no mety ho hitan'ireo blaogera avy ao anatin'ny firenena, ary koa avy amin'ireo izay monina any ivelany.

Ejipta: Tsenabe Iraisam-pirenen'ny Boky ao Caire Andiany faha-40

  20 Desambra 2018

Tena tia ny volana Janoary i Eman AbdElRahman, indrindra noho ny fisian'ny tsenabe iraisam-pirenen'ny boky ivelan'ny tokonam-baravarany. Anatin'ity lahatsoratra ity, mizara amintsika ny fientanam-pon'ireo bilaogera Ejipsiana hafa amin'io hetsika io izy, eo ihany koa ny fitarainan'izy ireo, sy ny seho ara-kolontsaina eny an-jorony.

Yemen: I Gaza sy Ny Renibeko ary ny Labozia

  20 Desambra 2018

Miresaka momba ny nampianaran'ny renibeny tia karokaroka azy ireo ny lanjan'ny labozia tanatin'ny fotoana tena nilàn-dry zareo azy i Maysaa Shuja. I Allah anie hampandry am-piadanana ny fanahin'ny renibeny.

Ejipta: Dov'è L'Amore (Aiza ny Fitia)

  20 Desambra 2018

Andron'ny Mpifankatia ny Alakamisy lasa teo, ary azo antoka fa tsy hamela io fotoana io handalo fotsiny ka tsy hanoratra momba azy ireo bilaogera Ejipsiana, na hanolotra fomba fahandro Mofomamy misy Sokolà (Tarte au Chocolat) hafa kely mihitsy aza ho an'ity andro ity ka hiantso izany hoe "Ilay sakafon'ny Fitiavana".

Ejipta: Ny Kianjan'i Tahrir, Nofinofy Kely Iray

  18 Desambra 2018

Iray amin'ireo endriky ny revolisiôna niseho tao Ejipta ny fiainana andavanandron'ireo mpanao fihetsiketsehana teo an-kianja Tahrir. Nandritra ny roa ambinifolo andro, teo an-kianja izy ireo no nonina. Manaraka ny onjany manokana ankehitriny ny fiainana eo an-kianja Tahrir, ary ny fanantenana manjaka ao anatiny dia ny nofinofy kely iray.

Iran: Fitokonan'ny bisy sy ireo bilaogera tany Israely

  18 Desambra 2018

(Marihina fa tamin'ny volana Janoary 2006 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Niezaka nitarika fitokonana ny mpamily bisy Iraniana mba hanatsarana kokoa ny fepetran'ny asa sy ny famotsorana ny mpitarika ny sendikan'izy ireo. Bilaogy fitantarana hetsika iray, Otobos1 (midika hoe bisy amin'ny teny Persiana ny Otobos), dia noforonin'ny mpanohana ny sendikan'ny bisy...

Arabia Saodita: Tohanan'ny mpiserasera ny Ejipsiana amin'ny fitroarany

  18 Desambra 2018

Nampindrana ny fanohanany tamin'ny Ejipsiana amin'ny fitroarana manohitra ny fitondran'ny filoha Hosni Mubarak nitondra nandritra ny 30 taona ny mpiserasera Saodiana. Maro ny mijery ireo tatitra ary maneho hevitra amin'ny fivoarana eny an-kianja raha miditra amin'ny andro fahafito ireo fihetsiketsehana lehibe mitaky ny fiovam-pitondrana.