· Oktobra, 2018

Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Oktobra, 2018

Gonu no Lazan'i Koety !

  29 Oktobra 2018

(2007) Sahobakaka ambody riana ireo blaogera Koetiana, niandry ireo vaovao mikasika ilay rivodoza mandravarava Gonu, izay nahafaty olona teo amin'ny dimampolo tao amin'ny tanàna mpifanolobodirindrina amin'i Oman. Milaza amintsika ny fomba nanehoan'izy ireo ny hatezerany noho ny fanontàna iray navoakan'ny gazety teny an-toerana, izay nikendry ny handoto ny lazan'ny firenen'izy ireo i Abdullatif AlOmar, izay mamerina mijery ireo blaogy rehetra.

Ahmadinejad sy i Chavez: ”Miala Any ny Resa-Pitiavana’

  28 Oktobra 2018

Tamin'ny Novambra 2007 nanao ny fitsidihany fahefatra tao anatin'ny roa taona tao Tehran ny filoha Venezoeliana Hugo Chavez mba hanasonia fifanarahana ara-toekarena bebe kokoa miaraka amin'i Iràna. Notsikerain'ireo Iraniana mpianatra sy blaogy maro mpomba ny havia ilay fifandraisana mpinamana nisy teo amin'ilay filoha ''sosialista'' Chavez sy ny Repoblika Islamika.

Ejipta: Toko Farany Taminà Raharaha Fampijaliana

  28 Oktobra 2018

Taorian'ny volana maro niandrasana sy ireo sahoan-dresaka, azo ihany ny rariny tao anatina tantara Ejiptiana izay nisy mpamily iray voalely am-body sy nampijalian'ny polisy - izay naka an-dahatsary ny heloka bevavan'izy ireo mba hanalàna baraka kokoa ny olona nampijaliany. (Fanamarihana avy amin'ny mpamoaka lahatsoratra: miala tsiny amin'izay tohina amin'ilay teny somary mivantambantana etsy ambony fa tsy hita izay teny malagasy mahalaza azy manokana, ka dia ny famaritana avy hatrany no natolotra anao mpamaky). Mitondra amintsika ny vaovao farany avy amin'ny tontolon'ny blaogy Ejiptiana mikasika ilay raharaha i Eman Abd Al Rahman.

Mitendry milina i Torkia (febroary 2006)….

  27 Oktobra 2018

Eny, tafaverina ny fitsidihana an'i Torkia taorian'ny fiatoana lavalava, ary satria efa ela izay, dia tsy misy ny fomba feno hitantarana izay lazain'ny rehetra, noho izany dia hifantoka amin'ny misongadina isika. Aleo mba ho tratran'ny namantsika kely isika, sa ahoana?