Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Septambra, 2018

Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Septambra, 2018

Manerantany: Mihamiboridana am-pandihizana i Yahoo !

Bilaogera Maraokana iray liana amin'ny teknolojia vaovao i MS Hijiouji . Niresaka momba ireo tolotra farany hivarotana ny Yahoo amin'ny alàlan'ny Microsoft, Google na AOL izy tao amin'ny bilaogin-dahatsorany farany, araka ny lahatsoratra nadikan'i Lasto Adri ao amin'ny Global Voices avy amin'ny teny Arabo.

Miandry fa… Syriana mpifindramonina ao Libanona

Dimy volana niandrasana, nahazo antso ihany i Abu Adel: "Miala tsiny amin'ny fahatarana, fa tsy nanaiky ny dosienao i Frantsa." Efa ho herintaona aty aoriana, mbola eo am-piheverana izay famindra-ponenana azy any amin'ny firenen-kafa ny fianakaviana.

Egypta: Abu Tarika

Fanatanjahatena sa politika ? Manazava ny fomba ataon'ny mpilalao baolina kitra Egyptiana mba hanaovana ny feony ho re eny an-kianjan'ny baolina kitra i Eman Abd Al Rahman.

Egypta: Wikimania 2008 | Alexandria

Nosafidian'ny mpitsara Wikimania ho mpandresy manoloana ireo mpifaninana miavaka roa hafa, Atlanta sy Cape Town i Alexandria.

Sioka avy any Beirota: Andro faharoa tamin'ny Atrikasan'ny Bilaogera Arabo

Nanomboka tamin'ny famelabelarana momba ny Herdict Web ny andro faharoa tamin'ny Atrikasan'ny Bilaogera Arabo, tranonkala iray izay mampiasa ny crowdsourcing mba hanangonana ny tatitra momba ny sivana amin'ny aterineto avy amin'ireo mpisera manerantany.

Atrikasan'ny Bilaogera Arabo : Ny fanehoan-kevitra tao amin'ny Twitter ny andro voalohany

Raha nanatona ny fiafarana ny andro voalohany tamin'ny Atrikasan'ny Bilaogera Arabo Faharoa izay fanao isan-taona dia nojerena ny fomba fijerin'ny mpandray anjara nandritra ny tontolo andro mba hamantarana ny zavatra azony sy ny fihetseham-pony.

Mpanoratra asongadina : Eman AbdElRahman

Ny mpandray anjara Egyptiana ato amin'ny Global Voices i Eman AbdElRahman, fantatra ihany koa amin'ny anarana hoe Lasto Adri, mavitrika amin'ny tetikasa antsoina hoe Kolena Laila izay natolony tao amin'ny Fihaonamben'ny Bilaogera Arabo Faharoa tany Beirota, Libanona.

Mpanoratra asongadina: Lina Ben Mhenni

Bilaogera Toniziana i Lina Ben Mhenni ary nanoratra momba ny tontolon'ny bilaogy Toniziana tato amin'ny Global Voices izy. Mpikatroka nampiasa ny aterineto ihany koa izy mba hanaovana fanentanana momba ny raharahan'ilay mpianatra nogadraina.

Libanona: Lasibatry ny fiara voasesika baomba ny kapiteny iray miady amin'ny fampihorohoroana

Mbola nisy indray ny fanafihan'ny mpampihorohoro iray hafa (28/01/2008) nikendry an'i Libanona izay nahafatesan'olona sy nahasimban-javatra. Namono ny manampahefanan'ny polisy iray mafana fo amin'ny ady amin'ny fampihorohoroana ao Libanona ny fiara iray voasesika baomba, tavela tao ny kapiteny Wissam Eid sy ny olona telo hafa.

Ejypta: Kapoka karavasy in-80 = Firenena ambany

Inona no mitranga rehefa manambatra mpanao didy jadona kivy, mpitarika ara-pivavahana mpanao kolikoly, feon'ny mpanohitra ary firenena iray marefo ianao? Firaisankina tsy mandeha araka ny tokony ho izy eo amin'i Hosni Mubarak, Oniversite Al Azhar University ary ny fanamelohana manohitra ny fahalalahana eo amin'izy ireo, hoy ireo bilaogera Ejiptiana.