· Jona, 2018

Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Jona, 2018

Alzeria : Ny diaben'ny Kabyle ho an'ny fizakantena

  24 Jona 2018

Nanao diabe tao amin'ny faritra avaratry ny firenena, Kabylie, ny Kabyle, mponina voalohany any Alzeria ny Talata 12 Janoary, alohan'ny fankalazana ny taona vaovao Berbère (Yennayer), mba hitaky fizakantena bebe kokoa avy amin'ny fanjakana foibe.

Ejypta : Fisamborana bilaogera taorian'ny vono olona tao Nag Hammadi

  24 Jona 2018

Bilaogera Ejypsiana roa-polo mahery no nosamborina raha teo am-pidinana ny lamasinina tao an-tanànan'i  NagHammadi ao an-tampon'i Ejipta. Notarihin'ny Dr Mostafa Al Naggar, niala tao Cairo, Alexandria sy tanàna Ejipsiana hafa ireo bilaogera ireo mba hanome voninahitra ireo fianakaviana niharam-boina tamin'ny vono olona tao Naga Hammadi.

Libanona: Tsy nahomby ny alin'ny tsy fifohana sigara

  23 Jona 2018

Ny “Ain't No Smoking 2nite” (ny alin'ny tsy fifohana sigara) dia hetsika nokarakarain'ny fikambanana Rotaract, natao tany amin'ireo toeram-pisotroana tao Gemmayze tany Beirota. Ity hetsika ity dia natao ho fanairana momba ny voka-dratsin'ny fifohana sigara sy mba handrisihana ny manampahefana amin'ny fampiroboroboana ny politikan'ny tsy fifohana sigara ao Libanona.

Jordania: Mamolavola lalàna mitaky ny tenimiafin'ireo tranonkala ny solombavambahoaka

  23 Jona 2018

Nodinihana sy novolavolain'ny parlemanta Jordaniana ny lalàna vaovao mifehy ny tranonkala elektronika izay mitaky amin'ireo mpitantana ny tranonkala mba hanome ny tenimiafin'ny tranonkalan'izy ireo any amin'ny Lehiben-draharaham-panjakana misahana ny Famoahana sy Fanontana pirinty. Raha toa ka mandà izany ny mpitantana, hoy ny volavolan-dalàna, dia hakaton'ireo manampahefana tompon'andraikitra ny tranonkala.

Libanona: Ny tetikasa Daily Star tsara kokoa

  21 Jona 2018

"Tinay ianao, tinay hiakanjo tsara fotsiny ianao ...", no fomba nampahafantaran'ilay Bilaogera/Mpamoron-tsary Libaney Mustapha (na Beirut Spring) ny tetikasa. Miresaka momba ny Daily Star (famoahana an-tserasera), iray amin'ireo loharanom-baovao lehibe amin'ny tranonkalam-baovao Libaney sy ny faritra.