· Janoary, 2018

Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Janoary, 2018

Bilaogera Maraokana Mitokona Ho an'i Erraji

  24 Janoary 2018

Raha nosamborina tamin'ny herinandro lasa ilay bilaogera Maraokana Mohammed Erraji, nitodika avy hatrany tamin'ny raharaha momba an'i Fouad Mourtada ny tontolon'ny bilaogy Maraokana. Tahaka ny nataon'izy ireo tamin'i Mourtada tamin'ny niatrika fampidirana am-ponja, nihetsiketsika ny bilaogera Maraokana mba hanohana an'i Erraji.

PangeaDay: Zava-Miseho Iainana Erantany

  24 Janoary 2018

Tamin'ny Sabotsy 10 May ny Pangea Day, ary nivory ny olona avy amin'ny faritra maro manerana ny tany mba hijery ireo sarimihetsika sy handray anjara amin'ny zava-misy erantany. Tamin'izany, nasehon'ireo sarimihetsika, mpandahateny ary mozika antsika ny sombim-piainana any amin'ny faritra hafa eto amin'ny bolantany, mampivondrona ireo olona avy amin'ny seha-piainana sosialy maro mba hino fa tsy samihafa araka izay inoantsika isika. Nahitàna fifaninanana lahatsary nalaina tamin'any finday ihany koa izany, niaraka tamin'ireo mpandresy avy any amin'ny firenena samihafa.

Ny Lahatsarin'ny Fifandonana Tao Egypta

  23 Janoary 2018

Nitodika tany Egypta ny mason'izao tontolo izao , tamin'ny andro faha-10 nanaovana ny fihetsiketsehana manohitra ny fitondrana. Hita fa nitombo be ny hafatra tao amin'ny Twitter sy ny fandefasana sary sy lahatsary, izay mampiseho ny toe-javatra nisy teny an-dalamben'ny Egyptiana

Syria-Gaza : Fahatezeran'ireo Bilaogera Syriana

  19 Janoary 2018

Maneho ny tsy finoany manoloana ny fanafihan'ny Tafi-piarovana Israeliana (IDF), izay nidaroka baomba sy nampiteraka korontana tao Gaza natao fahirano, ary koa manoloana ny fihetsiky ny iraisam-pirenena ny tontolon'ny blaogy.

Maraoka: Soloin'ny Casa Negra Tena Any Amin'ny Oscars

  17 Janoary 2018

Voafidy hisolo tena an'i Maraoka any amin'ny fifaninanana lokan'ny Academy (Oscar) 2010 ilay sarimihetsika maraokana Casa Negra. Ato amin'ity lahatsoratra ity no ahitàna ny fanehoankevitr'ireo mpitoraka bilaogy momba io sarimihetsika io.