· Aogositra, 2017

Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Aogositra, 2017

Libia: Hiverina sa Tsia?

  24 Aogositra 2017

"ny olana goavana dia ity, mba handray azy ireo ho tongasoa ao ve?" ho eken'ireo vahoaka ve ry zareo sa tsy hiraharaha azy ireo ny vahoaka sady hitondra azy ireo ho sahala amin'ireo mpifindramonina niverina ? Maro ireo fanontaniana saingy tsy misy valiny."

Etazonia: Inona Marina No Lazain'ilay Saribakoly Miteny?

  23 Aogositra 2017

Raha mihevitra ianao fa tsy midika na inona na inona ny fibadabadan'ny zazakely dia mieritrereta tsara aloha vao miteny izany! Manontany momba ilay "saribakoly miteny" avy amin'ny Fisher Price, mpanamboatra Bébé Câlin, izay toa nomelohina fa niteny hoe: "Fahazavana ny finoana Islamo" ny tontolon'ny bilaogy.

Maraoka: Tondradrano Mahatsiravina Tany Tanger

  23 Aogositra 2017

Nandritra ny taona vitsy lasa izay, niaina haintany i Maraoka. Indrisy anefa fa nifarana tamin'ny oram-batravatra izay niteraka tondradrano mahatsiravina tany avaratr'i Maraoka izany haintany izany. Olona miisa 13 no maty farafahakeliny .

Maraoka: Ary Ny mpandresy Dia…..

  22 Aogositra 2017

Natao tao Casablanca tamin'ny 31 Janoary ny andiany faharoa tamin'ny Maroc Blog Awards (Fifaninanana Bilaogy). Natao ho an'ireo bilaogy Maraokana tsara indrindra (sy ho an'ireo bilaogera manoratra manokana momba an'i Maraoka ihany koa) izay nosokajiana ao anatin'ny loka miisa telo ambin'ny folo. Indro ny lisitry ny mpandresy:

Misaona An'Ilay Poety Palestiniana Mahmoud Darwish Ireo Bilaogera Jordaniana

  22 Aogositra 2017

Nisaona ilay poeta andrarezina Palestiniana , Mahmoud Darwish ny tontolon'ny bilaogy Jordaniana izay maty noho ny fahasarotana nisy teo amin'ny fandidiana fo teo amin'ny faha 67 taonany tamin'ity herinandro ity. Heverina ho ambasadaoro sy tompondaka tamin'ny fiarovana ny Palestiniana izy; maneho mazava ny fihetseham-po eny an-dalambe ao anatin'ny fampisehoana poetika.

Omid Reza Mir Sayafi, Bilaogera Iraniana Maty Tany Am-Ponja

GV Mpisolovava  21 Aogositra 2017

Nodimandry tao amin'ny fonjan'i Evin ao Tehran tamin'ny 18 marsa i Omid Reza Mir Sayafi, mpanao gazety sady bilaogera iraniana 29 taona. Voaheloka higadra roa taona sy tapany izy tamin'ny desambra, noho ny filazana fa nanivaiva mpitondra fivavahana sy fanaovana propagandy hamelezana ny Repoblika Islamikan'i Iran.