Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Mey, 2017
Tonizia: Ary Tratran'ny Sivana I Arabicca!
Nanapa-kevitra hanohy indray ny famahanana bilaogy tamin'ny herinandro lasa ilay bilaogera Toniziana Fatma Arabicca izay voasambotra roa volana lasa izay. Tonga ireo manampahefana nanakana ny lahatsoratra iray monja tao amin'ny bilaoginy vaovao . Naneho hevitra momba ny fandrarana sy ny fanasivanana ireo bilaogy hafa ihany koa ireo bilaogera Toniziana .
Arabia Saodita: Mihidy Ho An'ireo Vehivavy Mpihazakazaka Ireo Làlana
Vao haingana izay, noraràna ny fidiran'ireo vehivavy mpihazakazaka ny làlana iray any amin'ny Faritanin'i Asir (Arabia Saodita), satria heverin'ny Vaomieran'ny Fampiroboroboana ny Fahamaotinana sy ny Fisorohana ny Havetavetana ho mampidi-doza. Manopy maso ny sasantsasany amin'ireo tsikeran'ny mpitoraka blaogy mikasika ity raharaha ity i Katharine Ganly.
Tsy Fitoviana Manerantany Ao Am-paosinao : Ny Fomba Amelàn'ny Finday Avolenta Mora Vidy Sy Ny Politika Baranahiny Antsika Harefo Eo Anatrehan'Ny Fijirihana
Ireo olona izay mahantra, alikiliky ny fiarahamonina, ary tsy havanana amin'ny teknolojia no mizàka ny olana lehibe indrindra amin'izay mety ho fanafihana amin'ny alalan'ny finday.
Avy amin'ny Tontolon'ny Blaogy Jordaniana
(Fanamarihana: lahatsoratra nivoaka tamin'ny Desambra 2005) ”Fihaonamben'ny Jordan Planet Voalohany tao Amerika Avaratra” avy amin'i Jameed ”Fihaonan'ny Jordaniana Mpitoraka blaogy Tamin'ny Novambra” avy amin'i Roba Al-Assi Koa satria efapolo isan-jaton'ireo Jordaniana mpitoraka blaogy no tsy monina ao Jordania, dia mitranga matetika maneran-tany ireo fihaonana. Mitatitra avy amin'ny Fihaonamben'ny Jordan Planet Voalohany ao Amerika...
Navotsotra Ilay Bilaogera Ejypsiana Monem
Nandre ny vaovao momba ny famotsorana an'i Monem miaraka amin'ny ahiahy manoloana ny tsy fahatokisana ny fiarovana Ejyptiana ireo bilaogera Ejiptiana.
Ejypta: Manaja ny Jirom-pifamoivoizana
Inona no toetra tokony hananan'ny olona rehefa miampita arabe, raha anisan'izao tontolo izao ny firenen'izy ireo? Bilaogera Ejypsiana Egyptian in the USA, mitondra antsika ny valinteny ao amin'ity dika-teny amin'ny teny Arabo ity
Emirà Arabo Mitambatra: Lahatsary Mampihoro-koditra Nanafintohina Izao Tontolo Izao
Tamin'ny herinandro lasa, nisy lahatsary manjavozavo efa tamin'ny taona 2005 nivoaka lohatenim-baovao, ary nanafintohina izao tontolo izao. Ny lahatsary, izay navoaka voalohany tao amin'ny ABC News ao Etazonia dia nampiseho an'i Sheikh Issa Bin Zayed al-Nahyan - rahalahin'ny Printsy Sheikh Mohammed ao Emirà Arabo Mitambatra -mampijaly Afgàna mpamboly.
Ejypta: Lehilahy Bilaogera Ejypsiana Manafatra “Hymen” Tsy Voajanahary
Marobe ireo fanehoan-kevitra momba ny hymen virijiny tsy voajanahary - nividy iray tamin'izany ilay lehilahy bilaogera Ejypsiana Mohamed Al Rahhal. Mitantara antsika ny tantara i Marwa Rakha
Iran: Ny Zavakanto Hiarovana Hetsi-panoherana
Namolavola sary sy sariitatra mba hanaingona ny zavakanto ho an'ny hetsi-panoherana Iraniana mitohy izay nanomboka taorian'ny valin'ny fifidianana filoham-pirenena ny 12 Jona ireo bilaogera sady olom-pirenena mpanakanto an-tserasera
Egypta: Nisy Vidiny Ihany Ny Tolon'ny Mpanatontosa Sarimihetsika
Afaka hijery ny sarimihetsik'i Ibrahim El Batout Ein Shams [Ar] (Mason'ny Masoandro) ho toy ny sarimihetsika Egyptiana ihany ny farany ireo mpijery sarimihetsika Egyptiana amin'ny faran'ity volana ity taorian'ny tantaran'ny sivana.lava. Mitondra ho antsika ny tantara i Nermeen Edrees.