Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Aogositra, 2016
‘Mpisatroka Fotsy’ ao Siria Nanavotra Aina Maro, Voatondro Hahazo Ny “Loka Nobel Ho An'ny Fandriampahalemana”
Ao anatinà fifandirana izay maro loatra no nisafidy ny herisetra, mifoha isanandro ireo Mpisatroka Fotsy mba hamonjy ireo aina ezahan'ireo hafa alaina mafy
Andalam-piarenana indray Ireo Honahonan'i Iràka Saika Rotika Fony Fitondran'i Saddam
Ireo faritra mando ao atsimon'i Iraka, ankehitriny dia lasa Toerana Lovan'izao Tontolo izao arakla ny Firenena Mikambana, mandrakotra velarantany an'arivorivony kilaometatra toradroa any afovoan'ny tany efitra.
Tatitry ny Mpiserasera: Tsy Lalao Sy Fanalan'Andro Madiorano Ny Pokémon GO Any Shina Sy Afovoany Atsinanana

Raha mbola manakoako manerantany ny Pokemon, dia eo am-pandaliana lalànan'ny VPN vaovao manahiran-tsaina i Emirà Arabo Mitambatra. Mitohy ny fifanolanan'i Brezila amin'i WhatsApp ary namoaka ny orinasam-pifandraisany manokana ho azy ny vondrona indizeny Meksikana.
“Taratasim-Pitiavan'i Brezila Ho an'i Iràka” : Fampirantiana Saripika Mandefa Hafatra Fandriampahalemana
Fanaintainana mihena, poezia mitombo, fanajàna mitombo, ny ady mihena : toa sahala amin'ny nofinofy ireny faniriana ireny ao anatin'ny fotoana iray izay anjakan'ny tsy fandeferana sy tsy fanajàna ny hafa. Kanefa asehon'ny fampirantiana saripika, “Taratasim-Pitiavan'i Brezila Ho An'i Iràka” fa azo atao ny manokatra làlana amin'ny fifikirana amin'ireny soatoavina ireny , eny fa na any amin'ny faritra misy fifandonana aza
Ao Aleppo, Maka Razana Avy Amin'ny Korotam-Bato Isan'Andro ny Mpanolotena ‘Satro-Potsy’
"Rehefa mahita olombelona mangirifiry ianao dia mila manao zavatra hanavotana azy ireny."
Sonita Ampolony No Voalaza Fa Novonoin'i Iran Hamoretana Ireo Gadra Noho Ny Fieritreretana
Nisy nitatitra fa nanatanteraka famonoana gadra sonita am-polony tao amin'ny fonjan'i Gohardasht ny governemanta Iraniana, ary anisan'izany ilay gadra malaza noho ny fieritreretana Shahram Ahmadi.
Sady Tsy Gaoma No Tsy Pizza Fa Fanamiana Lalao Olaimpika Iraniana
"Nitonona ho tompon'andraikitra tamin'ny famolavolana ny fanamiana Olaimpika Iranianina ny Daesh .
Ny Herinandro Tato Amin'ny Global Voices: Lasa Politika ny Pokémon Go
Amin'ity herinandro ity izahay mitondra anao ho any Iran, Japan, Shina, Meksika ary Timor-Leste.
Ayatollah Khomeini Maty 27 Taona Lasa Izay, Saingy Mbola Tian'ny Mpanolotsain'i Trump Hanameloka Ny Fanafihana Tao Nice
Niseho tao amin'ny Fox News, nilaza i Flynn hoe , “Tiako ny Imam, na i Khomeini, mba hijoro sy ho voatondro ary hiresaka momba ity endrika ideolojia radikaly any anatin'ny ràny ity "
Milisy Sivily Nofanin'i Rosia “Vonona Hiady Amin'ireo Mpitsoaponenana” Any Amin'ny Sisintany Iraisany Amin'i Bolgaria

Fanehoana lehibe ny fitomboan'ny tsy fitiavana vahiny any Bolgaria ny fisian'ireo milisy sivily mpihaza mpitsoaponenana manamorona ny sisintanin'ny firenena . Hatreto, mangina tanteraka mikasika ilay olana ireo manampahefana.