Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Mey, 2016
Manao Fanairana Ny Mpikatroka Syriana Noho ny Vono Olona Mety Hitranga Ao Amin'ny Fonja Hama
Miantso fanairana ny mpikatroka manoloana ny manjò ireo gadra maherin'ny 800 ao amin'ny fonjaben'i Hama, izay gadra politika ny ankamaroany, taorian'ny fikomiana nataon'izy ireo mba hitaky ny zon' izy ireo.
Fantaro Ireo Sahrawis Roa Mpamokatra Lahatsary Sady Mpikatroka Sahy Nandrakitra An-tsary Ny Fanitsakitsahana Zon'Olombelona
“Tandindonin-doza mandrakariva aho, eny fa na tsy mandrakitra lahatsary akory aza.,” hoy i Mariem Zafri, mpikatroka mafàna fo amin'ny media raha niresaka ny loza mitatao aminy rehefa manao ny asa fandraketany lahatsary ho fisoloana vava.
Lahatsary Fanomezam-boninahitra, Mampifanaraka Ny Fanononana imolotr'ireo Iraniana Ny Fitiavan-dry Zareo ilay Kalazan'ny Mozika, Mohammed-Reza Shajarian.
Hoy ny bitsiky ny Avideh hoe: "Shajarian, feon'ny vahoakan'i Iràna: #Maestro_we_love_you (Tiako/Tianay ianao) #Shajarian"
Ny Firenena Mikambana Miresaka Ny Hoavin'Ireo Mpampandry Tany Any Andrefan'i Sahara, Ny Sahrawis Kosa Mamoaka An-gazety Ny Resaka Zon'Olombelona
Raha nihaona tamin'iny herinandron'ny 25 Aprily iny ireo diplaomaty iraisampirenena mba hamaritra izay hoavin'ny Iraka Mpampandry Tany Avy amin'ny Firenena Mikambana any Sahara Andrefana, nanao hetsi-panoherana kosa ireo mpanao fihetsiketsehana nanerana ilay faritra voabodo nitakiany ny fizakantenany sy ny fanajàna ny zon'olombelona.
Ny Herinandro Tato Amin'ny Global Voices Podcast: Ireo Mpiaro
Amin'ity herinandro ity izahay hitondra anao any Kambodza, Syria, Tajikistan, Gambia ary Kolombia
May i Aleppo: Ovay Ho Mena Ny Sarinao Amin'ny Media Sosialy Ho Firaisankina.
"Voafafa ao anaty sarintany" i Aleppo araka ny vakianao amin'ireo andalana ireo. An-jatony ireo namoy ny ainy tao anatin'izay andro vitsy izay ka miantso izao tontolo izao ny mpikatroka mba hijery ny manjoa azy ireo.
Afaka Tamin'ny Andron'ny Fahalalahan-Gazety Manerantany Ilay Iraniana Mpanao Sariitatra Atena Farghadani
Andron'ny 3 Mey 3, izany hoe tao anatin'ny Andron'ny Fahalalahan-Gazety Manerantany Indrindra, navotsotra avy tao amin'ny fonjan'i Evin ilay Iraniana mpanao sariitatra Atena Farghadani.
Na Eo Aza Ny Fomban-drazana Sy Ny Dinam-piarahamonina, Mitàna Ny Ejiptiana Eo Amin'ny Sehatra Fandihizana Ny Salsa
Minoa na tsia, fa manana iraisana kokoa noho ny zavakanto sy kolontsaina tranainy sy ny fananganana piramida i Amerika Latina sy i Ejipta.