Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Janoary, 2016

Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Janoary, 2016

Tsy Adin'ny Sionita Sy Ny Shiita Ny Fifandonana Ao Afovoany-Atsinanana, Ary Tsy Efa An'Arivo Taona Tany Aloha Akory

"Voazarazara ho sekta ve ilay faritra? Eny. Tena misy ve ny fahasamihafàna? Eny. Vokatry ny fifandirana ara-teolojia fahagola ve ny ady ankehitriny? Tsia," hoy i Iyad El-Baghdadi mibitsika momba ilay antsoina hoe hantsana eo amin'ny Sionita sy ny Shiita.

Nosamborin'i Arabia Saodita i Samar Badawi Fa Nisioka Tamin'ny Anaran'ny Vadiny Mbola Any Am-ponja

Nosamborina androany ilay Saodiana mpikatroka ny zon'olombelona Samar Badawi, voalaza fa mitantana ny kaonty Twittern'ny vadiny any am-ponja, Waleed Abulkhair, Saodiana mpisolovava sady mpiaro ny zon'olombelona malaza izy.

Netizen Report: Mitodika Hatrany Any Amin'ny Fampitam-Baovao Mahaleotena Ao Syria

Raha mitohy ny hetsi-panoherana ao Ethiopia, dia nanao fifanarahana hahazoana fitaovana misivana ny aterineto i Bahrain. Mandritra izany fotoana izany dia miatrika fanagadrana noho ny siokany mitsikera ny politisiana Ekoadaoreana iray hafa.

Naka Sarintena Nanao Lafika Ny Hotely Nidedaka Tao Dubaï, Roa Nosamborina Avy Eo Navotsotra

Lehilahy roa naka sarintena niaraka tamin'ilay hotely The Address misy rihana 63 nirehitra tao Dubaï nataony sary lafika, ary nandefa izany tao amin'ny tambajotra sosialy no nosamborina -- avy eo navotsotra

Ireo Dingana Rehefa Mandeha Lavitra

« Tsy fasana ho an’ny tenanay ihany ny ranomasina, fa ho an'ny fahatsiarovanay– sarinay sy ny harenanay ary ny zavatra kely nentinay mba hahatsiarovana ny tanindrazanay ihany koa. »

Ny Toeran'ny Pakistaney Amin'ny Fahatapahana Ara-Diplaomatika Eo Amin'i Arabia Saodita Sy i Iran

"Tokony hiaraka amin'i New Zealand isika amin'ity adi-hevitra hoe Iran sa Saodita ity. Maka ny toerana lavitra indrindra amin'ity resaka ity."

Zam Zam Cola, Mariky Ny Fotoana Ara-diplaomatika Mahafinaritra Kokoa Eo Amin'i Iran sy Arabia Saodita

Mihenjan-droa ny tady eo amin'i Iran sy Arabia Saodita. Namarana ny fifandraisana ara-diplaomatika i Saodita, ary nandràra ny fanafarana entana Saodiana i Iran. Ahoana kosa ny amin'ny Zam Zam Cola malaza ao Iran?

Tsy Ny Disadisa Siriana No Hakàn'izy Ireo Amiko Ny Noeliko

Ao anaty firenena iray anjakan'ny ady dia sady fihetsika tena tsy misy fahamatorana no fanoherana mahery vaika ny fankalazàna Noely.

Nidaroka baomba Tanàna Libaney i Israely Taorian'ny Daroka Baomba Amoron-dalana Nolazain'ny Hezbollah Fa Nataony

Nidaroka baomba ny tanàna Libaney atsimo ao Al-Wazzani akaikin'ny sisintany eo anelanelan'ny firenena roa tonta ny tafika Israeliana tao anatin'ny fanafihana valifaty amin'ny antoko politika sady vondrona milisy Hezbollah. Nitatitra ny haino aman-jery ao an-toerana fa nisy ireo naratra.

Amin'ny Politika Repoblikana Ao Etazonia, ‘Tsy Voatery Miala Tsiny Raha Mankahala An'i Iran’

Nanjary lasa adihevitra amin'ny zavatra tsy misy sy fanaratsiana an'i Iran ny adihevitra Repoblikana.