Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Mey, 2014
Fitsarana Ny Raharaham-Pamonoana Mpanao Fihetsiketsehana Tao Torkia Notantaraina Twitter Mivantana
Nitantara mivantana tamin'ny alalan'ny Twitter ny fizotran'ny fotoa-pitsarana ilay raharaha namonoana mpanao fihetsiketsehana Ali İsmail Korkmaz tao amin'ny zaridainan'i Gezi mba hifantohana amin'ity raharaha ity ny mpiserasera.
Mpikatroka Roa Nosamborina Nandritra Ny Famoretana Fihetsiketsehana Tao Alzeria
Tanora mpikatroka teratany Alzeriana i Mohand Kadi ary teratany Toniziana kosa i Moez Benncir. Nosamborina izy ireo raha niara-nisotro kafe teny amin'ny terasy tao afovoan-tanànan'ny renivotr'i Alzeria nandritra ny fihetsiketseham-panoherana milamina «Barakat !» andro iray alohan'ny fifidianana filoham-pirenena.
Manenjika Ny Rafitra Kafala Ireo Vahoaka Libane Sy Ireo Mpifindra Monina Sady Mpanao Hetsika Mafana Fo
Misy fanentanana karakaraina ao Libanona hamporisihana ny olona hanambara ny tsy fankasitrahany ny rafitra Kafala (fiahiana) sy ny fanararaotana diso tafahoatra ireo mpiasa an-trano. Toy ireo ny fanehoan'ny olona sasantsasany ny fanohanany.
Nosamborina Noho Ny Fahatratrana Rongony Teny Aminy Ilay Mpikatroka Toniziana Azyz Amami

Efa fanao mahazatra ny fiampangana lainga fahatratrarana rongony izay nampiasan'ireo manampahefana Toniziana hatrany taloha sy taorian'ny fitroarana mba hanafenana fa fisamboarana politika no tena misy.
Mpitoraka Bilaogy Saodiana Voaheloka 10 Taona An-Tranomaizina Sy Kapoka 1000
Nomelohan'ny fitsarana Saodiana 10 taona an-tranomaizina sy kapoka 1000 i Raif Badawi, omaly, noho ny nanaovany tranonkala malalaka.
Ny Safoakan'ny Praiminisitra Tiorka Recep Tayyip Erdogan Nandritra Ny “Seho Iray Minitra” Tao An-Toerana
Nisafoaka tamin'ny resaka nataon'ny lehiben'ny Holafitry ny Mpitsara, Metin Feyzioglu ny Praiminisitra Tiorka Recep Tayyip Erdogan, ary niampanga an'i Feyzioglu ho «masiaka» tamin'ny lahateny nataony izay mitsikera ny zava-bitan'ny governemanta
SARIPIKA: Dowlatabadi, Iraniana Mpanoratra, Azo Sary Teo Anilan'ny Lehiben'ny Sivana Ao Iran
Ilay sary dia namela marika iray tena manana ny lanjany ho an'ireo mpijery efa mahay tsara ny asan'i Lotfi sy Dowlatabadi, izay noraràn'ny Minisitry ny Kolontsaina sy ny Taridàlana Islamika tamin'ny fotoan'androny.
Syria: Fikarakaràn'ny Homs Sakafo Anaty Fahirano
Miainga amin'ny bozaka maniry eny amoron-dàlana ka hatramin'ny sokatra, vorona ary bibikely, tongan-dry zareo Homs amin'ny haavo hafa mihitsy ny làzan-dry zareo amin'ny fahaiza-mamorona sy ny tsy fakàna sarotra amin'ny fiainana.