Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Novambra, 2013
Tsy Mahazo Mandao Trano Fonenana Anatin'ny 1.000 Andro
IMir Hossein Mousavi, Zahra Rahnavard sy Mehdi Karoubi, mpitarika ny Hetsika Maitso ao Iran, samy mbola voatàna any an-tranonyavy tsy misy fitsaràna sy fiampangàna.
Orana Naha-dobo Rano An'i Riyadh Renivohitra Saodiana
Maro no naneho hevitra hoe nahoana no firenena iray manan-karena tahaka an'i Arabia Saodita ka enfa dia tsizarizary ny fotodrafitrasa, tsy afaka hiatrika orana akory, taorian'ny nahatondraka rano ny renivohitra Saodiana.
Tonizia : Lasa Hira Fanevan'ny Tanora Ilay Rap
Tonga hira fanevan'ny tanora Toniziana ilay lahatsarin-kira rap Houmani rehefa narahan'ny olona maherin'ny 3 tapitrisa tao amin'ny Youtube. Tantarain'i Afef Abrougui amintsika ny antony.
Fihaonan'ny Global Voices any Cairo, Ejipta

Kasaina hatao ny 16 Novambra ho avy izao any Kairo, Ejipta, ny Fihaonana ataon'ny Global Voices. Miangavy anao hanatevina ireo mpikambana ao amin'ny vondrom-piarahamonin'ny GV ho an'ity fihaonana manokana ity.
Etiopiana: #MbaMisiaOlonaMitenyAmArabiaSaodita Hampiato Ny Famoretana Mpifindra Monina
Nanomboka nampihatra ny famoretana ireo mpifindra monina tsy ara-dalàna i Arabia Saodita taorian'ny nahataperan'ny fe-potoana famelan-keloka nomena ireo mpifindra monina tsy ara-dalàna ireo. Mahatsiaro ho lasibatra ireo Etiopiana mpifindra monina.
“Oud Criminal” Ho An'i Yemen
Mampiseho ny talentany tamin'ny fahaizany Oud i Ahmed Alshaiba, ilay Yemenita mpiangaly mozika, tao anaty lahatsary iray vaovao navoaka tao amin'ny YouTube. Fantaro ny antony mahatonga ny Yemenita hirehareha fatratra tamin'ny nahavitàny izany.
Mitady Hetsika Arahan'Asa Ny Yemenita: TEDxSanaa 2013
Amin'ny alalan'ny lohahevitra "Actions Matter", manomboka androany ny TedxSanaa. Manaraka akaiky ny hetsika i Noon Arabia .
Nahazo Tsiny Ny Polisy Toniziana Noho Ny Fampijaliana Ho Faty Tovolahy Iray
Herinandro vitsy taorian'ny fandaniana ny lalàna vaovao mandràra ny fampijaliana ao Tonizia, Namoy ny ainy nandritra ny fitànan'ny polisy azy i Walid Denguir. Mampiseho mangana sy ratra eo amin'ny lohany ireo sary misy ny vata mangatsiakany.
Ny Fomba Hialàna Voly amin'ny Fifanarahana Ara-nokleary
Raha midika ho tsy fisian'ny fifanarahana ny "fanaovana ezaka" mandritra ireo fifanarahana ara-nokleary, mananihany momba ny lafiny mahatsikaiky amin'ity raharaha ity ireo Iraniana ao amin'ny Twitter.
Mpanao Gazety Syriana Abdulwahab Mulla Nalaina An-keriny Tao Aleppo
Nalain'ireo jiolhay misaron-tava an-keriny tao an-tranony ao amin'ny faritra afaka ao Aleppo ilay mpanao gazety olo-tsotra sy mpanesoeso Abdulwahab Mulla, 24 taona. Mitaky ny famotsorana azy ireo mpiserasera.