Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Mey, 2013
Roa Taona Taorianan'ny Niafenany, Nandositra Tany Londra i Ali Abdulemam, Bahraini Bilaogera
Nipoitra tany Londra i Ali Abdulmam, Bahraini bilaogera, taorian'ny nandosirany tany Bahrain, izay toerana niafenany nandritra ny roa taona. Nandrtra ny fitsaràna tsy narehany, Abdulemam, 35 taona, dia voasazy 15 taona an-tranomaizina noho ny maha-mpikambanana azy anaty fikambanana mpampihorohoro ary koa saika hanongam-panjakana. Resak'ireo mpisera ety anaty aterineto ny tantaran'i Abdulemam nony nivoaka ny andinindininy tamin'izy io-aterineto.
Bahrain: Mpisera Enina Nogadraina Noho Ny Fanevatevana Mpanjaka
Sazy herintaona antranomaizina avy no azon'ireo mpisera Twitter enina avy amin'ny fitsarana Bahrainita androany noho ny fanevatevana ny mpanjaka Hamad bin Isa Al Khalifa tamin'ny habaka bilaogy madinika. Araka ny tatitra nataon'ny Sampam-pahalalambaovaon'ny governemanta Bahrainita, “tranga dimy isan-karazany ” no niampangàna ireo “enina voarohirohy”, izay “mahakasika ny fampiasana tsy ara-drariny ny fahalalaham-pitenenana sy fanalam-baraka...
Fitantarana an-tSary Navoakan'ny Manomba-Maso An'i Palestina Farany Indrindra Ho Fahatsiarovana ny Nakba
Ho fahatsiarovana ny Andron'ny Nakba, namoaka ny fitantarana an-tsary nohavaoziny farany indrindra ny ekipan'ny 'Visualizing Palestine' (manomba-maso an'i Palestina) mitondra ny lohateny hoe "Famindra-monina mbola mitohy" izay "mametraka an'isa ny habe sy velaran'ny famindra-monina sy fahaverezan'ny tany Palestiniana."
Pelaka Efatra Nosamborin'ny Polisy Tany An-Trano Fandihizana
Noho ny baiko avy amin'ny ben'ny tanàna, Antoine Chakhtoura, polisy 12 no nanao fisavana tao amin'ireo trano fandihizan'ny pelaka “Ghost” ao Dekwaneh, Matn, Libanona. Voalaza fa niharan'ny fandrahonana ireo mpanjifa tao amin'ity trano fandihizana ity ary olona efatra no nosamborina nandritra izany, tamin'ny volana lasa teo no nisehoan'ity tranga ity....
LAHATSARY: Famoretan'ny Polisy Ireo Mpanao Fihetsiketsehana Tamin'ny 1 Mey
Olo-tsotra 25 sy polisy 22 no naratra nandritra ny fifandonana mahery vaika teo amin'ny polisy Tiorka sy ireo mpanao fihetsiketsehana tamin'ny 1 Mey tao Istanbul, lehilahy iray no voalaza fa jamba ny masony ilany satria tratran'ny baomba mandatsa-dranomaso ary tovovavy iray 17 taona kosa naratra teo amin'ny lohany ka nahatonga azy tsy nahatsiaro tena...
Niala Tsiny Tao Amin'ny Facebook Noho Ny Ady An-trano Tamin'ny Taona 1994 ny Jeneraly Yemenita
Mananganan-tsaina ny firenena sady miventsoventso teny filamatry ny fahaleovantena, an'arivony ireo tonga tao an-tanàna renivohitry Aden taloha sy tanàna hafa ao Atsimon'i Yemen tamin'ny 27 Aprily 2013, tanàna izay efa zatra mankalaza ny andro nanambaran'ny Tavaratra ady tamin'ny vahoaka tatsimo sy “nibodoina” ny taniny tamin'ny taona 1994, araka ny famaritan'ireo...