Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Avrily, 2013
Nampametra-panontaniana Ny Fitokonana Tsy Hihinan-kanina Nataon'ny Mpitoraka Milaogy Iray Teratany Iranianina
Fa raha toa ka nampitandrina ny mpitoraka bilaogy sasany fa tandindonin-doza ny ain'i Mehdi Khazali taorian'ny nanaovany fitokonana tsy hihinan-kanina nandritry ny 90 andro mahery, dia teo kosa ireo izay manontany tena hoe tena marina tokoa ve ny fisian'izany fitokonana tsy hihinan-kanina izany.
Yemen: Hetsi-panoherana Ny Drôna Tany Etazonia
Nanatevin-daharana ireo diabe sy famoriam-bahoaka natao nanerana an'i Etazonia ireo Yemenita ho fanoherana ireo drôna mpihaza sy ny famonoana tsy mandalo fitsaràna.
Miteny Hentitra Ny Vehivavy Tiorka: Vatako, Fanapahan-kevitro
sinjo sahady fa mbola be ny làlana hodiavin-dry zareo sy ny ady ho atrehany mandra-pahatongan'ny hoe azy ireo 100% ny fanapahan-kevitra ny amin'izy hanaovany ny vatany na ny fiainany. Ambaran'i Baran Mavzer amintsika ny antony mahatonga ny adin'ireo vehivavy Tiorka ho mbola henjana, mba hahazoany sy hitehirizany ny zony araka ny lalàna sy ny maha-olona, na dia tsara toerana kokoa aza ry zareo miohatra amin'ireo marobe any amin'ny tontolo Silamo.
Manandratra Ny Fiarahan'ny Fiteny Maro Ao Amin'ny Fihaonambe Sosialy Manerantany ao Tunis

Azonao inoana ve ny hahazo, na dia amin'ny ampahany ihany aza, ny votoaty ankapoben'ny lahatsoratra iray amin'ny fiteny tsy misy fantatrao (ankoatra ny fisiany angaha) tahaka ny baska, ny estoniana,...
Mpanao Sariitatra Toniziana Voasazy Handoa Onitra, Notsipahana Ny Ankamaroan'ireo Fiampangana Goavana Natao Azy
Nosazian'ny fitsarana Toniziana ao Gabes, Atsimo-atsinanan'i Tonizia handoa onitra 100 Toniziana Dinars [sahabo eo amin'ny 63 USD] eo ireo mpanao sariitatra roa Oussama Bouagila sy Chahine Berriche androany [10 Aprily 2013],...
Syria: Misioka Avy Eny Aleppo
Tafaverina ao Aleppo, Syria ilay mpanao gazety Jenan Moussa, ary nisioka izay zava-niainany, mbola mihamafy hatrany anefa ny ady eo amin'ny mpitandro ny filaminana mpanohana sy mpanohitra ny governemanta. Vaovao...
Mampihomehy Ireo Arabo Ny Fandrahonana Nokleary Ataon'ny Korea Avaratra
Nampihomehy Arabo maro mpampiasa aterineto ny fandrahonan'ny Korea Avaratra ny hanafika ireo toby miaramila amerikana, anisan'izany ireo mitoby any Amerika.
Tenifahatra Ejypsiana Niresaka Momba Ny Homofôbia!
Niteraka adihevitra maresaka sy mafana faramparany teo ny antso hiadiana amin'ny homofôbia (fankahalàna pelaka) tao amin'ny media sosialy. Ao Ejypta, mbola fady ny firesahana ampahibemaso ny lohahevitra firaisana ara-nofo, na...
Mitsangana Ny Fikambanana Saodiana Voalohany Mpiaro Ny Zon'olombelona Mitaky ny Hanafoanana ny Didim-Pamonoana ho Faty
Taorian'ny didim-pitsarana manafoana ny Fikambanana Mpiaro ny Zo Sivily sy Politika Saodiana (ACPRA) iray volana lasa izay sy ny fakana ny fananany (tsy misy), misy vondrona mpikatroka iray omaly nanambara ny fitsanganan'ny fikambanana mahaleotena vaovao iray antsoina hoe Firaisana ho amin'ny Zon'Olombelona. Ao anatin'ny tanjona napetrany, ny fitadiavan'ny fikambanana hamarana ny famonoana fanao hampihemotra ny hafa, lohahevitra tsy dia misy miresaka loatra ao amin'ny Fitondram-panjaka.
Niala Ny Praiminisitra, Toy Ny “Sambo Rendrika” I Libanona
@Brigitte_khair: Tahaka ny tovolahy mihiaka ‘hoe “Mandrahona hametra-pialàna indray i #Mikati. Koa raha hametra-pialàna tokoa izy, tsy ho taitra intsony ny olona. Raha nanomboka ny tsaho momba ny fialàny, nihevitra...