· Janoary, 2013

Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Janoary, 2013

Maherin'ny 80 Ireo Namoy Ny Ainy Tao Amin'ny Anjerimanontolon'i Aleppo Ao Syria

  18 Janoary 2013

@SyriaCampaigns nisioka hoe: Eritrereto ity: Eo am-panaovana fanadinana ianao & mijery ora ka 15 minitra sisa. Tampoka teo nahare fipoahana ianao. Vita. #AleppoUniversity Nitiranga izany tamin'ny 15 Janoary 2013. Andro voalohany tamin'ny fanadinana raha namely ny faritry ny anjerimanontolon'i Aleppo ny ady ao Syria, olona 80 mahery no namoy ny ainy...

Tontolo Arabo: Al-Andalus: Firodanana sa Fahazoana Indray?

  18 Janoary 2013

Isaky ny faharoan'ny volana Janoary, ankalazaina ao Grenada ao Espaina ny “El día de la Toma de Granada” (andro nakàna an'i Grenada). Tamin'izany andro izany tamin'ny taona 1492, nandao ny Emirà Grenada i Muhammad XII (Mpanjaka Boabdil). Nahazo ny  saikanosy iberiana ny kalifà (fiandrianan'ny mpanjaka Islamo) Omayyady tamin'ny fiandohan'ny taonjato faha-valo, ary nampitsahatra ny...

Fahalotoan'ny Rivotra Isanandro Ao Teheran Atao An-tsary.

  17 Janoary 2013

Ho an'ireo Iraniana an-tapitrisa, fahavalom-bahoaka voalohany nandritra ny taona maro ny fahalotoan'ny rivotra iainana. Tany ampiandohan'ity volana ity, nanambàra ny Minisitry ny Fahasalamana fa olona maherin'ny 4.400 tamin'ny taona lasa no namoy ny ainy noho ny fahalotoan'ny rivotra tao Teheran, renivohitr'i Irana.

Andron'ny Fampihavanana Ao Atsimon'i Yemen

  17 Janoary 2013

Vahoaka an'arivony avy amin'ny faritany enina ao atsimon'i Yemen no niara-nirohotra tao an-tanànan'i Aden nandritra ny andro vitsivitsy ho fandraisana anjara amin'ilay fetiben'ny “fampihavanana sy fifamelana”. Mankalaza ny fahatsiarovana ny ady an-trano tao Atsimon'i Yemen taloha izay niseho tamin'ny tamin'ny taona 1986 ny fetibe. Ny ady an-trano dia nifanandrinan'ny mandatehezana roa...

Zana-Bohitra Palestiniana Vaovao Bab Al Shams Tafapetraka ao Jerosalema Atsinanana

  13 Janoary 2013

Anisan'ny hetsi-pijoroana ao Palestina ny nananganan'ny mpikatroka Palestiniana 250 ny fananganana zana-bohitra vaovao antsoina hoe Bab Al Shams na “Vavahadin'ny Masoandro”, anisan'ny tany ao atsinanan'i Jerosalema nobaboina ary voasokajin'ny fitondram-panjakana Isiraeliana ho anisan'ny “Area E1“. Nisy Fanambarana ho an'ny gazety navoakan'ny Vaomieram-pandrindrana ny Tolom-Bahoaka ao amin'ny habakany androany vao maraimbe, mamelabelatra...

Avotsory i Bassel: Mpampiasa Aterineto Tandindonin-doza

GV Mpisolovava  13 Janoary 2013

Nahafeno 9 volana an-tranomaizina i Bassel Khartabil Safadi, mpamokatra rindrambaiko azo tovozina malalaka sady mpikatroka mafàna fo mpandàla demokrasia. Matahotra ny amin'ny ainy ny namany sy ny fianakaviany noho ny fitsarana azy any aminà fitsarana miaramila.

Mpikatroka Kiorda Roa Miatrika Sazy Fanamelohana Ho Faty Ao Iran

  12 Janoary 2013

Tanora mpikatroka Kiorda Iraniana roa, Zaniar (na Zanyar) sy i Loghman Moradi no fantatra fa ho alefa hahatona araka ny filazan'ireo tranokalam-baovao Iraniana marobe sy ireo fikambanana mpiaro ny zon'olombelona. Voampanga ho namono ny zanaka lahinà mpitondra fivavahana Imam Sonita ao an-toerana ao tanànan'i Malayer izy ireo ary hovonoina ho faty rehefa...

Malazan'ny Media Sosialy: Ireo Heloka Bevava Tsy Hitantsika Tao Syria

  11 Janoary 2013

Ao anatin'ny fiaraha-miasanay amin'i Syria Deeply; miaraka mamoaka andian-dahatsoratra mandrakitra ny feon-tsivily voaforiporitra anaty fifandirana izahay, ahitana ny fomba fijerin'ny mpanoratra avy amin'ny lafy valon'izao tontolo izao momba ny ady.. Syriana an-tapitrisany no mampiasa fitaovana fampahalalam-baovao tahaka ny Facebook, Twitter, YouTube ary ny Skype mba hampiely vaovao sy hiady hevitra momba ny...