· Mey, 2012

Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Mey, 2012

Ejipta: Fahadisoam-panantenana tamin'ny adihevitra voalohany nifanaovan'ireo kandidà filoham-pirenena

  20 Mey 2012

Tamin'ny 10 may 2012, nifantoka nanoloana ny fahitalavitra ny Ejiptiana nanaraka ny adi-hevitra voalohany nifanaovan'ireo mpilatsaka hofidiana filoham-pirenena anankiroa matanjaka indrindra , Amr Moussa sy Abdel Moneim Aboul Fotouh. Na izany aza anefa, tsy io akory no adihevitra voalohany tany amin'ny tany Arabo, fa efa nisy ohatra tany Maoritania tamin'ny 2007 nifanaovan'i...

Niteraka Ahiahy Ny Tolo-kevitra Hananganana Fiombonamben'ireo Firenena Arabo Ao Amin'ny Golfa

  18 Mey 2012

Nifanakalo hevitra ireo governemanta ao amin'ny Golfa ny amin'ny hamadihana ny Filan-kevitry ny Fiarahan-miasan'ny Golfa amin'izao fotoan ho toy ny an'ny Fiombonambe Eoropeana. Eritreritra fanovana miainga aoa anaty rivotry ny fisalasalàna sy mafanafana naterak'ireo fitroarany Arabo sy ny fitomboan'ny dindo avy ao Iran. Ho toy ny dingana voalohany, dia i Arabia Saodita sy Bahrain no mety hikatsaka fitambarana mafimafy kokoa.

Hankatò Ny Fampitam-Baovaon'Olo-Tsotra Ny Loka Robert F. Kennedy

  15 Mey 2012

Miantso ny hisian'ny fifantenana ny Lokan'ny Fanaovan-gazety momba ny Saripika Iraisampirenena sy ny Valan-tserasera Iraisampirenena ny iray amin'ny fikambanana iraisampirenena miaro ny zon'olombelona lasa aloha indrindra, ny Robert F. Kennedy Center, izay ampiantranoan'ny Sampana [Birao] Eoropeana ao Florence, Italia. Hankatò ny zava-bitan'ny matihanina sy ny mpianatra manadihady ny resaka zon'olombelona sy ny fisoloana...

Global Voices Podcast: Sakafon-tsaina, Sakafo Hohanina

  14 Mey 2012

Ato anatin'ity andiany ity isika dia hitrandraka ireo asa sy hetsika farany indrindra teo anivon'ny vondrom-piarahamonin'ny Global Voices. Miresaka ihany koa isika amin'ireo namana sasany, mikasika ireo singan-kolontsaina ifanakalozana eo amin'ny fiainantsika, ka hafantoka manokana amin'ny resaka sakafo : na izany sakafon-tsaina, na hohahina!

Palestina: Fitokonana Faobe Tsy Hihinan-kanina Ataon'ireo Voafonja

  07 Mey 2012

Nanomboka fitokonana tsy hihinan-kanina mandritra ny fotoana tsy voafetra ireo gadra Paletsiniana ny 17 Aprily teo mba hanoherany ny fepetra fihazonana any amin'ireo fonja Israeliana. Ilay natomboka tany am-boalohany ho toy ny hetsi-panoheran'olom-bitsy no nitombo amin'izao fotoana ka lasa misy mpandray anjara an'arivony.