Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Marsa, 2012
Tontolo Arabo: Fisaonana Ny Nahafatesan'i Anthony Shadid
Tamin'ny 17 Febroary 2012, nanohina ny fon'ny mpamaky ny vaovao maneran-tany ny naheno vaovao mampalahelo mikasika ny nahafatesan'ilay Solontenan'ny New York Times any amin'ny faritra Atsinanana afovoany tao Syria, Anthony Shadid teo amin'ny faha 43 taona. Araka ny tatitra voaray dia vokatry ny fahasemporana mahery nohon'ny tsy fahazakany manatona akaiky soavaly no nahatonga izany.
Avy Amin'ny Iraniana Ho An'ny Israeliana: “Namanareo Izahay”
Ilay pejy Facebook fanentanana avy amin'ny Israeliana miteny amin'ireo Iraniana hoe "Tsy handaroka baomba velively ny firenenareo izahay. Tianay ianareo" dia nahazo valiny avy amin-dry zareo Iraniana amina endrika fifandraisana fifanentanana ao amin'ny Facebook izay miteny amin-dry zareo Israeliana hoe, "Namanareo izahay."
Torkia: Mbola Migidraka Amin'ny Kiorda Mankalaza Newroz Ihany Ny Polisy
Ny vahoaka Kiorda no foko maro an'isa indrindra any Torkia, fa mandrafitra ny 20 isan-jaton'ny mponina, izay manakaiky ny 20 arivoarivo izany. Tratran'ny fanavakavahana avy amin'ny fanjakana izy ireo ary itsakitsahana ny zony. Androany, tao Yuksekova, izay distrika any amin'ny faritany Tiorka antsoina hoe Hakkari, dia notafihana noho ny fivborivoriana fankalazana ny Newroz - izay taombaovaony ny Kiorda
Torkia: Notafihan'ny Polisy Ny Kiorda Nandritra ny Fankalazany ny Newroz
Kiorda an'arivony no nidina an-dalambe mba hankalaza ny Newroz, hetsika izay efa nomanina mialoha, kanefa naparitaky ny polisy tamin'ny alalan'ny basirano, sy baomba mandatsa-dranomaso indray androany ny manerana an'i Torkia. Na dia eo aza ny herisetra hatrehin'izy ireo ao Diyar Bakir, manohy ny diany mankany any amin'ny kianja tokony hanaovana ny...
Yemen: Mahatsiaro ny Zoman'ny Fahamendrehana
Taona iray lasa izay, nanodidina ny olona 52 no maty, nanakaiky ny 100 no voalaza fa naratra tao Sanaa. Mahatsiaro ny andron'ny 18 Martsa ireo mpiondana aterineto, kihon-dàlana iray teo amin'ny revolisiona tao Yemen, izay nahatonga olona marobe, olom-panjakana, diplaomaty, ary miaramila niala an-daharana ka nanatevina ireo mpanao hetsi-panoherana.
Ejipta: Mandria Am-piadanana Papa Shenouda III
Matroka tanteraka ny filentehan'ny masoandro tao Ejipta omaly [asabotsy] – Nodimandry tamin'ny faha-89 taonany rehefa niady mafy tamin'ny aretina nandritra ny fotoana maharitra Pope Shenouda III. Taorian'ny fandrenesana ny vaovao mampalahelo dia an'arivony no nizotra nankany amin'ny Katedhraly Abbaseya haneho fiaraha-miory sy fanajana. Taorian'ny fanambarana ny fahafatesany dia niely tato...
Syria: Rehefa Miongana I Assad
Tahaka ireo Arabo nanohitra ny mpitondra mpanao didy jadona tany aminy avy dia manana faniriana sy fanantenam-piainana aorian'ny fionganan'ny mpano didy jadona ao aminy antsoina hoe Bashar Al Assad ny Syriana. Mifampizara ny nofinofiny ny Syriana amin'ny fampiasana tenifototra #WhenAssadFalls
Taratasim-pitiavana Avy Amin'i Israely Ho An'i Iran
Tahaka ny nofinofy izany hoe hafatra mifono fitiavana avy amin'ireo Israeliana ho an'ny Iraniana izany, tanatin'ireo taona maro nifandrahonan'ny governemanta Iraniana sy Israeliana tsy nisy fiatoana. Saingy mahita ohatra amin'izany isika ao amaty fanentanana iray vaovao ao amin'ny Facebook.
Tontolo Arabo: Vahao i Clooney!
Nosamborin'ny Etazonia ilay mpisehatra George Clooney sy ny rainy Nick nandritra ny fihetsiketsehana teo an-tokotanin'ny Ambasady Sodaney ao Washington DC. Mpisera Arabo namoaka izay niseho tamin'ny fihetsiketsehana nandritra ny fisamborana tao amin'ny Twitter. Natao ny fihetsiketsehana mba hanairana ny sain'ny olona manoloana ny krizy mitatao amin'ny vahoaka ao amin'ny fari-tendrombohitra Nuba, ao...
Bahrain: Aiza i Ali Abdulemam?
Koa satria manopy maso isan'andro ny hafatra sy fanamarihana ao amin'ny pejiko Facebook aho, dia manopy maso koa ny mombamomba an'i Ali Abdelemam. Isanandro dia manontany tena aho raha misy lahatsoratra avy any aminy. Isan'andro dia manopy ny masoko aho amin'ny rindriny mba hijery izay lahatsoratra sy sary avy amin'ny fianakaviany, ary manantena farafaharatsiny mba afaka mahalala zava-bitika mikasika azy. Manontany ireo namana sy mpiara-mifarimbona amiko ao Bahrain mikasika an'i Ali aho, ary dia tsy misy mahalala izay niafarany ny olona. Manontany tena aho hoe mba aiza izao i Ali amin'izao fotoana. Ali, raim-pianakaviana niteraka telo, nanjavona ary namela antsika haminany izay niafarany. Inona no antony nanjavonany?