Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Oktobra, 2011

Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Oktobra, 2011

Ejypta: Manaraka Akaiky ny Fifidianana ao Tonizia

Ny revolisiona Toniziana no nialoha ny revolisiona Ejypsiana, ary nanomboka tamin'izany, nanintona ny Ejypsiana ny tolona mankany amin'ny demokrasia nataon'i Tonizia. Ary ankehitriny ny Toniziana – na ao an-toerana na ivelan'i Tunisia – miomankomana amin'ny fifidianana ny mpikambana eo anivon'ny antenimieran-dalampanorenana izay hanendry ny governemanta vaovao ary hamolavola ny lalampanorenana vaovao...

Torkia: Ezaka Fifanampiana An-tSerasera Ho An'ny Tratran'ny Fihovitry ny Tany

Tratran'ny fihovitry ny tany lehibe mahatratra ny refy 7,2 ny alahady teo ny tany amin'ny faritra atsinanan'i Torkia. Fehezin'i Kubra ny sasantsasany amin'ny fifanampiana an-tserasera, manampy ny ezaka vonjy taitra sy mahaolombelona efa eny an-kianja.

Ejipta: Ny Valinteny Nomen'i Torkia Tamin'ny Fanontanian'Ireo Kiorda, Raha i Erdogan Miteny ao Kairo

Ny lahatenin'ny Praiminisitra Tiorka Tayyip Erdogan momba ny firotsahan'ny fanjakana Palestiniana ao amin'ny Ligy Arabo dia nadika mivantana tamin'ny alalan'ireo mpikambana aminà tranonkalan-tambajotra sôsialy, dia ny Twitter izany, ho an'ireo izay miteny Arabo na Tiorka. Tatitr'i Ruwayda Mustafah.

Ady Sarotra Amin'ny Fanamelomeloham-poana An'ireo Mitondra Ny Otrikaretina VIH Ao Ejipta

Ejiptiana iray fantatra amin'ny anarana hoe Magid no olona voalohany any Ejipta nilaza imasom-bahoaka fa mitondra ny otrikaretina VIH. Ny fanadihadiana no nahitàna fa Ejiptiana manodidina ny 11.000 eo no miaina miaraka amin'ny VIH, nefa io isa io dia mety hiakatra avo tokoa. Mbola be ny manafina noho ny fitsaratsaram-poana.

Tonizia: Vokatra Vonjimaika Manome Tombony Ny Islamista

Ny vokatra vonjimaikan'ny fifidianana tamin'ny 23 Oktobra tao Tonizia dia sahala amin'ny manome tombom-bato betsaka ho an'ny Antoko Islamista Ennahdha. ny fanisàna ny vatom-pifidianana dia mbola mitohy, ary andrasana ho tafavoaka amin'ny Talata tolakandro izy ireny.

Tonizia: Fihetseham-po sy Filaharana Lava dia Lava Tamin'ny Fifidianana

Voasokitra ao amin'ny tsiaron'ny mpifidy Toniziana, izay nameno ny birao fandatsaham-bato hatry ny vao maraimbe, ny andro androany [alahady]. Nifidy ny antenimieram-panorenana handrafitra ny Lalampanorenan'ny Firenena ny Toniziana. Tsy nahakivy filaharambe rehefa vonona ny hanana izay tiana holazaina amin'ny fomba itondrana ny firenena.

Siria: Ity « Tafika Mahaleotena » Mihantsy Ny Fitondrana Ity

Akanjo aro bàla, satroby vita tamin'ny Kevelar sy basy fitondra an'ady eny an-tànany, 13 lahy no mamakivaky ireo olona marobe mihorakoraka miaraka amin'ny dona kely eny an-tsoroka, fiandohan'ny volana septambra, tao an-tanànan'i Boustan al-Diwan, ao Homs. Taraiky mijery ny fanamiana ny fakantsary, ireo galona kely miloko maitso eo an-tsoroka anaty...

Torkia: Olona 1000 Ahiana Ho Faty Nandritra Ny Fihovitry Ny Tany Ao Van

Nahazo ny ilany atsinanan'i Torkia ora vitsivitsy lasa izay ny Fihovitry ny tany nahatratra ny maridrefy 7,2. Ahiana hahatratra 1000, ny be indrindra, ny isan'ny maty tamin'ny fihovitry ny tany, izay nahazo an'i Ercis, any amin'ny faritra be tandrombohitr'i Van manakaiky sisintany amin'i Iran.

Tontolo Arabo: Mifampiarahaba Amin'ny Fifidianana Ao Tonizia

Nahazo fihobiana tsara avy amin'ny mpiserasera manerana ny tontolo Arabo ny Toniziana, amin'izao fotoana handehanany hifidy ireo mpikambana 218 ao amin'ny antenimieran-dalàm-panorenana izay hisahana ny famolavolana ny lalàm-panorenana ao amin'ny firenena, ary hanendry ny filoha sy ny governemanta vonjimaika. Manan-tantara ny fifidianana satria voalaza ho toy ny ‘fifidianana malalaka voalohany ao...

Tonizia: Fihaonana Amin'ny Tantara

Handeha hifidy ny Antenimieran-dalàmpanorenana ny Toniziana androany, solontena misahana ny famolavolana ny lalàmpanorenana vaovao sy ny fanendrena ny governemanta vaovaon'ny tetezamita. Tamim-kafaliana no nandatsahan'ireo Toniziana rehetra maneran-tany vato tao anaty vata tamin'ity andrana demokratika ao amin'ny firenena ity, izay arahin'ireo Arabo manerantany akaiky. Fotoana talohan'ny fifidianana, naneho ny fihetseham-pony ireo mpamaham-bolongana manoloana ity andro mana-tantara ity....