· Septambra, 2011

Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Septambra, 2011

Yemen: Vonomoka Nandeha Mivantana Tamin'ny Aterineto

  19 Septambra 2011

Vonomoka iray no nojerena maso mivantana , isak'izay bitsika nalefa, tao Sanaa renivohitr'i Yemen. Ny tafika mitam-piadiana Yemenita dia nitifitra ireo mpanao hesi-panoherana, nahafaty olona 22 raha kely indrindra ary naharatràna an-jatony maro hatreto. Mandeha mivantana amin'ny alalan'ny live feed ilay zava-mahatsiravina, ary hitan''ireo mpijery an'aliny maro izay tohina nanerana ny tany

Iran: Vehivavy Iray Mpitoraka Bilaogy Voakaravasy in-50

  18 Septambra 2011

Ireto ireo teny nosoratan'ilay Iraniana mpitoraka bilaogy Somayeh Tohidloo[fa] tanatin'ny bilaoginy taorian'ny nikaravasiana azy in-50 tany amin'ny fonjan'i Evin ny 14 Septambra 2011: Mifalia, satria raha ny hanala baraka ahy no tanjonareo, ambarako fa mararin'izany famerezan-jo izany ny tenako iray manontolo

Sakanan'ny Governemanta Siriana Ny WordPress

GV Mpisolovava  18 Septambra 2011

Mitatitra ireo mpampiasa Twitter Siriana fa ny sehatra fitoraham-bilaogy be mpamhalàla, WordPress, dia voasakana amin'ireo ISPs (mpanome tolotra aterineto) ao amin'ny firenena. Manaraka ny onjam-panoheran'ireo mpanohitra ny fitondrana izay mampitroatra ny firenena izany fihetsika izany na dia eo aza ny famoretana henjana avy amin'ny governemanta

Libanona: Fandrisihana Ireo Mpiasa Mpila Ravinahitra Amin'ny Teny

  18 Septambra 2011

Vondrom-piarahamonin'ireo tanora mavitrika ao Beirut, The Migrant Workers Task Force (Vondron'Asa Momba Ireo Mpiasa Mpila Ravinahitra) no miezaka manohana ireo mpiasa an-trano ao Libanona izay mazàna tsy rariny mihitsy ny fepetra iainany sy iasàn'izy ireny. Mitatitra i Thalia Rahme.

Maraoka: Mitatra Ny Fisamborana Ireo Mafàna Fo

  14 Septambra 2011

Tampotampoka teo dia nitatra ny fisamborana ireo mafàna fo mpomba ny demaokrasia sy ireo mpanentana anaty aterineto tao Maraoka, tato anatin'ny andro vitsy. Tamin'ny herinandro lasa fotsiny dia efa nisy telo. Zara raha miteny momba izany ny mpampahalala vaovao ary dia nandray an-tànana ny fitaterana ireny fisamborana ireny ireo bilaogera izay vao taitra ny fampahalalam-baovao nentin-drazana tao Maraoka handray ny tantara.

Tontolo Arabo: Mahatsiaro ny 11 Septambra

  12 Septambra 2011

Nanome voninahitra ireo namoy ny ainy 3000 tamin'ny 11 septembra ny Mpisiokantserasera manerana ny tontolo Arabo, mahatsiahy ny zava-niseho mahatsiravina nataon'ny mpampihorohoro Al Qaeda izay nandefa fiaramanidina mpitondra olona 4 handona ny tranobe tao Etazonia izao tontolo izao folo taona lasa izay. (tohizo)

Ejipta: Nandrava Tamboho sy Nanaisotra ny Sainan'ny Ambasady Isiraeliana ny Mpanao Fihetsiketsehana

  10 Septambra 2011

Eo an-kianjan'i Tahrir, ivom-besatry ny revolisiona Ejipsiana ao afovoan-tanànan'i Kairo, androany [zoma] ny mpanao fihetsiketsehana an'arivony ho fanoherana ny fitondrana miaramila ao Ejipta. Vetivety monja dia tanoralahy maro no nihaodihaody tany amin'ny Ambasady Isiraeliana izay nandravan-dry zareo ny tamboho fiarovana ny Ambasady, sy nanesoran-dry zareo ny saina Isiraeliana rehefa nanatona ny alina. Indro ny sombotsombin'ny zavanisy voatatitra ao amin'ny Twitter