· Jona, 2011

Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Jona, 2011

Syria: Nandao Ny Orinasany Ny Rahalahin'i Al Assad Fa Hanao Asa Soa.

  23 Jona 2011

Ny 16 Jona, ankatoky ny Zomam-pihetsiketsehana vaovao tao Syria, nanambara ny fahitalavi-panjakana Syriana fa handao ny orinasany ilay  mpandraharaha Rami Makhlouf, 41 taona, ka hiditra amin’ny asa fanasoavana. Nasser H. Al-Shaikh no voalohany nitatitra ny vaovao milazalaza izany tao amin'ny Twitter izay nanatsongany ny voalazan'ny fahitalavi-baovao Arabiya: AlArabiya: lehilahy mpandraharaha...

Ejipta: Miroborobo Hatrany Ireo Lova Navelan'i Khaled Said

  22 Jona 2011

Khaled Said dia tanora Ejiptiana izay maty teo am-pelatanan'ny polisy tamin'ny taona lasa, niteraka fanehoan-kevitra sy nitondra tamin'ny fionganan'ny filoha Hosni Mubarak. An'aliny ireo nanao fihetsiketsehana nanerana an'i Ejipta tsy hoe ho fankalazana fotsiny ny fitsingerenan'ny taona nahafatesany, fa hikiaka koa ny hatezeran-dry zareo momba izay lazain'izy ireo fa herisetra sy fampijaliana tsy miato ataon'ny polisy.

Koety: Hetsi-panoherana Enti-manohitra Ny Praiminisitra

  22 Jona 2011

Nanao fihetsiketsehana ireo Koetiana ny Zoma teo ka nitaky ny fialàn'ny Praiminisitra Sheikh Nasser Al-Mohammed Al-Sabah eo amin'ny governemanta. Mamintina ny fihetseham-pon'ireo Koetiana mpampiasa aterineto amin'ny fanohizana ny hetsi-panoheran'ny Zoman'ny Hatezerana any amin'ny fireneny i Mona Kareem.

Ejypta : Famakafakana ny vitan'ny Twitter eny an-kianja

  18 Jona 2011

Raha toa ka misy ny sehatra iray nahatonga ny Revolisiona ejipsiana  “ho fanokafana ny maso” eo amin'ny resaka valantserasera, dia tokony ho ny nahatonga ireo Ejypsiana an'arivony niditra ny tranokalan'ny siokantsera Twitter. Tao anatin'ny telo volana mahery izay dia nandroso dia nandroso ny tontolon'ny Twitter ejipsiana, tsy amin'ny habetsahany ihany fa amin'ny votoatin-kevitra...

Syria: Mitohy Ny Famoretana Na Eo Aza Ny Antso Iraisam-pirenena

  16 Jona 2011

Mitohy ny hetsi-panoherana manerana an'i Syria, ary tsy mampiseho fihetsika hilefitra ho fampiatoana ny herisetram-pamoretana ataony mihitsy ny fitondràna Siriana na eo aza ireo antso avy amin'izao tontolo izao.. Maneho hevitra ao amin'ny Twitter ireo mponin'i aterineto momba ireo fivoaran-draharaha faramparany.

Ejipta: Fisokafan'ny vavahady ifandraisan'i Rafah sy Gaza

  13 Jona 2011

Nanokatra ny toerana fandalovana ao Rafah mankany amin'i faritr'i Gaza i Ejipta androany, mamela ny olona hivezivezy malalaka any Ejipta indray tato anatin'i efatra taona lasa. Ny sisintany, izay vavahady lehiben'i Gaza mankany amin'ny tontolo ivelany, dia nosokafana tsindraindray nandritra ny fitondran'ilay filoha Ejiptiana teo aloha Hosni Mubarak. Ity manaraka ity dia fihetseham-po vitsivitsy avy ao amin'ny Twitter momba ity fivoarana faramparany ity.

Koety: Mpampiasa Twitter Shiita Voasambotra

  12 Jona 2011

Nasser Abul , tovolahy Shiita, avy ao Koety, nosamborina, araka ny fantatra, noho ny nandefany Tweet tao amin'ny vohikala fitorahana bilaogy kiritika, Twitter. Ity no fihazonana mpampiasa Twitter voalohany noho ny tweet nalefany teto amin'ny firenena. Nahatonga fisavorovorona tao amin'ny Twitter izany fisamborana izany, ka betsaka ireo nitaky ny famotsorana Azy.