· Janoary, 2011

Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Janoary, 2011

Ejipta: Fanoherana an-dahatsary ny 25 Janoary

  27 Janoary 2011

Nidina an-dalamben'i Kairo sy ny tanàna Ejipsiana maro hafa ny mpanao fihetsiketsehana ny talata 25 janoary teo izay andro tsy niasana, “Andron'ny Polisy”, hanoherana ny 30 taona nitondran'olo-tokana nanjakan'ny Filoha Muhammad Hosni Mubarak. Maro amin'ny mpitazana no nahatsikaritra ny fahabangan'ny tatitra ataon'ny gazety be mpanaraka, saingy nanangona andian-dahatsary ao amin'ny Youtube kosa ny olo-tsotra.

Ejipta: Fa Misy Inona ao Suez?

  27 Janoary 2011

Maro ny tatitra mikasika ny fifandonanan'ny mpanao fihetsiketsehana sy ny mpitandro filaminana no mivoaka avy ao Suez, 129km atsinanan'i Cairo renivohitra, sady mafy sy mazava, raha miditra indrindra amin'ny andro fahatelo ny hetsika rehetra manerana an'i Ejipta. Miaraka amin'ny fahatapahan'ny tambajotra finday, manjavozavo ho an'ireo mponin'ny aterineto ny vaovao. Ny fanontaniana mipoitra dia ny hoe: Fa misy inona ao Suez?

Ejipta: Taorian'ny Twitter, Voasakana koa Ankehitriny ny Facebook

  27 Janoary 2011

Nosakanan'i Ejipta koa androany ny fidirana amin'ny Facebook, tafiditra ao anatin'ireo fangiàzana ny fivezivezen'ny vaovao ataony, taorian'ny hetsi-panoherana omaly. Omaly ihany koa, nosakanany ny fidirana amin'ny Twitter, nokorontanina ny fifandraisana tamin'ny finday tamin'ireo faritra nifamorian'ny mpanao fihetsiketsehana, ary nobahanana ny fahafahana mandefa video mivantana tao amin'ny tranonkala Bambuser.

Ejipta: Nirotsaka ny Alina, Taorian'ny Andron'ny Haromotana

  27 Janoary 2011

Raha nirotsaka handrakotra an'i Ejipta ny haizin'ny alina, nitohy hatrany kosa ny hetsi-panoherana tao Cairo sy nanerana ny firenena. Toy izany koa ny tatitra momba ny herisetran'ny polisy, nefa koa ny hetsika maha-te-hidera avy amin'ireo mponina sy mpandraharaha eo an-toerana. Ho hita eo amin'ny maraina raha hitohy na tsia ny hetsika.

Ejipta: Ny Hetsiky ny 25 Janoary an-tsary

  26 Janoary 2011

Mahalaza betsaka noho ny tweets an'arivony ny sary iray, indrindra rehefa hoe voasakana ny Twitter ao Ejipta mba hanakanana ny fampitana vaovao mikasika ny fihetsiketsehana mitranga eto Ejipta androany

Ejipta: Voasakana ny Twitter raha mbola mitohy kosa ny fihetsiketsehana

  26 Janoary 2011

Nanao dingana iray indray i Ejipta amin'ny adiny amin'ny Aterineto, ary dia nanapaka ny fifandraisana amin'ny finday any amin'ireo faritra nambara fa hifamorian'ireo mpanohitra an'arivony androany mandritra ny Andron'ny Revolisiona. Ny tanjona dia toa hifehezana ireo andiana mpanao fihetsehana sy hanakendana ny hetsika.

Alzeria : midera ny herim-pon'ny vahoaka any Tonizia ny any Alzeria

  25 Janoary 2011

Noharabain'ny mponina any Alzeria ny hetsika fanoherana nataon'ny vahoaka tany Tonizia nandravana ny fanjakan'i Zine El Abidine Ben Ali [EN] izay nanjaka tokana nandritra ny 23 taona. Any amin'ny resadresaka rehetra, ny bilaogy sy ny facebook, dia tsy hitan'ny vahoaka any Alzeria intsony izay hilazana ny herim-pon'ny vahoaka Toniziana izay nanohitra...

Israely/Palestina: Fanehoan-kevitra momba ny Antontan-taratasin'i Palestina

  25 Janoary 2011

Androany ny  Al Jazeera amin'ny teny Anglisy dia namoaka ny voalohany indrindra amin'ireo antontan-taratasy anatiny efa maherin'ny 1,600 avy amin'ny dingana ho fikatsahana fandriampahalemana teo amin'i Israely sy Palestina, nomena anarana hoe “Antontan-taratasin'i Palestina.” Ireo taratasy navoaka androany dia namoaka ho fanta-bahoaka ny fifanarahana miafina maromaro nifanaovan'ny Lehiben'ny mpanelanelana OLP,...