· Janoary, 2008

Tantara mikasika ny Afrika Avaratra sy Afovoany Atsinanana tamin'ny Janoary, 2008

Iran: ivelan'ny Oniversite izay Bahai

  28 Janoary 2008

Shahrahsolh (midika hoe lalambe mankany amin'ny fiadanana), mpamaham-bolongana manaraka fivavahana Bahai, no manoratra fa[Fa] tsy avelan'ny governemanta  hianatra any amin'ny Oniversite izay mpianatra Bahai rehetra any Iran. Ampian'ny mpamaham-bolongana aza moa fa kendren'ny governemanta mihitsy izay haha-anjorom-bala kokoa hatrany izay Bahai any amin'ny fiaraha-monina any.

Obama sy ny fivavahana

  26 Janoary 2008

“Soa fa  nisy Barack Obama, mba hamaritan'ny Islam indray ny antsoina hoe “mpino” araka ny voambolana Silamo, na mila mieritreritra amin'ny famaritana vaovao anononana ny antsoina hoe ‘foko Miozolmana’ indray ny fianakaviambe iraisam-pirenena (na ny tontolo manerantany araka ny dika manta) mba ampifanarahana ny olana miatrika ny raharaha manokana ampiharina amin'iMr....

Maraoka: Vaovao farany mikasika ny sivana

  26 Janoary 2008

Taona nisavoritaka ho an’ny fahalalahana anivon’ny aterineto maraokana ny 2006, noho ny fisian’ny vohikala voatohana tsy hipoitra. Mbola tsy tsara noho izany koa ny taona 2007 raha zara fa navela notopaza-maso tsindraindray indray ny vohikala azo nojerena mandava-taona teo aloha. Moi, dans tous mes états (fr) no namintina  tamin’ny lahatsorany...

Ejipta : Menatra ny mahaejipsiana

  24 Janoary 2008

“Menatra amin’ny mahaejipsiana ahy aho amin’izao fotoana izao, menatra amin’ny firaisana tsikombakomba eo amin’ny Ejipta sy Isiraely, menatra satria heveriko fa isaky ny misy olona maty any Gaza, dia nandray anjara tamin’ny famonoana azy io ny tanana Ejipsiana,” izany no venti-kevitry ny mpamaham-bolongana Ejipsiana Eman.

Bahrain: Mpifanolo-bodirindrina hoe?

  24 Janoary 2008

Cookie, avy any Bahrain, no milazalaza ny momba ny manodidina na mpifanolo-bodirindrina ao amin’ny lahatsorany. “Mijanona eny amin’izay tiany hanajanonany ny fiara tahaka ny hoe tompon’ny arabe ny olona. Ny vehivavy kosa miady matetika isa-tapa-bolana na latsak’izany any IVELAN’NY tokantranony!” hoy izay nosoratany.

Arabia Saodita : Mety hahazo alàlana hamily fiarakodia ny vehivavy

  23 Janoary 2008

Muneeb no manome rohy ao amin'ny Mideast Youth momba ny vaovao fa alohan'ny faran'ny taona, dia mety hahazo alàlana hamily fiarakodia ny vehivavy any Arabia Saodita : Women in Saudi Arabia will be allowed to get behind the wheel as the government lifts its longstanding ban on female drivers, according...

Arabia Saodita : Afaka mijanona amin'ny hotely irery ny vehivavy

  23 Janoary 2008

Or Does it Explode no mitatitra izay fandresena kely hoan'ireo vehivavy any Arabia Saodita. Araky ny fampahalalam-baovao dia : Women in Saudi Arabia can now stay in a hotel or a furnished apartment without a male guardian, according to a government decision that comes as the country faces increasing criticism...

Koety: Scarlett Johansson tany Koety

  23 Janoary 2008

Namangy tany Koety ny mpanakanto mpilalao an-tsarimihetsika Scarlett Johansson, velom-panontaniana i Mark : How does one go about getting access to US camps in Kuwait? “Lalana inona ary no tokony arahina mba hazahoana alàlana hiditra ny toby Amerikana aty Koety aty ?”

Armenia/Torkia: Fahatsiarovana an'i Hrant Dink

  19 Janoary 2008

Androany ny tsingerintaona voalohany namonoana tany Istambul any Torkia ilay tonian'ny fanaovan-gazety Armeniana sady mpanao gazety rahateo Hrant Dink. Marilisa Lorusso's blog no nahatsiaro ity mpanao gazety ity ka nanokana lahatsoratra ho azy.(voasoratra ao ary fa nifidy ny hipetraka tany Torkia ny lehilahy ho fanajana ireo olona an'arivony nanohana azy noho...

FreeAccess plus ! web 2.0 : ahafahana miala sivana

  17 Janoary 2008

Niainga tamin’ny asan’i Hamed Saber momba ny “Access Flickr” fiitaranasan’ny Firefox, nahafahana niala tamin’ny fanatantavanana ampiharina any Iran sy firenena hafa tena vitsy izay manampina ny Flickr, vohikala malaza amin’ny fifampizarana sary, no namoahan’i MohammadR ny “FreeAccess Plus!“, Fiitaranasa (extension) nosainina lalina mamadika ny Firefox ho proxy (solon’adiresy fanangonana fa...