Tantara mikasika ny Oman
Toerana masina Oryx ao Oman – toerana voalohany voafafa tao anatin'ny lisitry ny vakoka manerantany
Namoaka fanambarana an-gazety tamin'ny fiandohan'ny herinandro lasa teo manambara ny fanesorana voalohany ny toerana iray avy amin'ny lisitry ny Lova Manerantany ny UNESCO
Oman: Miverina tsikelikely ny fibilaoginina
Niala tamin'ny Gonu, oram-baratra tropikaly namely ny firenena tamin'ny fiandohan'ity volana ity ny sehatra fibilaogina Omaney. Niezaka nivoatra sy niresaka lohahevitra samihafa ireo bilaogera tamin'ity herinandro ity.
Masoarabo: Mahafatifaty ny vehivavy Ejypsiana
Fivarotan-tena, famorana ny vehivavy ary ny fiarahan'ny vavy samy vavy dia tsy zava-dratsy ferana ho an'ny vehivavy Ejypsiana, hoy ilay bilaogera Ejypsiana Tamr Heneh, tamin'ny taratasy misokatra ho an'ilay mpanolotra fandaharana, Dr Hala Sarhan.
Masoarabo: Fihaonana mangina sy fiarahabana Eid
Eid ny ao amin'ny tontolo Arabo ary mankalaza ny faran'ny Volana Masina Ramadany miaraka amin'ny tabataban'ny hetsiky ny bilaogin'izy ireo ny bilaogera Arabo.
Gonu no Lazan'i Koety !
(2007) Sahobakaka ambody riana ireo blaogera Koetiana, niandry ireo vaovao mikasika ilay rivodoza mandravarava Gonu, izay nahafaty olona teo amin'ny dimampolo tao amin'ny tanàna mpifanolobodirindrina amin'i Oman. Milaza amintsika ny fomba nanehoan'izy ireo ny hatezerany noho ny fanontàna iray navoakan'ny gazety teny an-toerana, izay nikendry ny handoto ny lazan'ny firenen'izy ireo i Abdullatif AlOmar, izay mamerina mijery ireo blaogy rehetra.
Namely an'i Oman ny rivodoza tropikaly Gonu
Nanambara ny hamehana ny governemantan'i Oman rehefa namely ny firenena ny rivodoza tropikaly Gonu , izay nahatratra ny sokajy faha 5 amin'ny loza voajanahary. Fantatra fa nanavatsava nanerana ny morontsiraky ny firenena nandritra ny telo andro ity oram-batravatra ity.
Oman: Fanasivanana tsy nahy ny aterineto
Avy any Oman, manome fanavaozam-baovao momba ny famaritany ny atao hoe 'fanasivanana ny aterineto tsy nahy' ato amin'ity lahatsoratra ity i Riyadh Al Balushi.
Oman: Eid tao amin'ny Twitter
Ankalazaina mandritra ny telo andro aorian'ny faran'ny volan'ny Ramadany ny Eid al Fitr ao Oman.
Oman: Fihaonan'ny mpisera Twitter
Nanatontosa ny fihaonana Twitter voalohany i Oman. Mpisera Twitter miisa 25 mahery no nanatrika ny hetsika ary indro ny bilaogy sy ny fanehoan-kevitra tao amin'ny Twitter momba izany.
Bilaogera Omaniana midina an-tsehatra hiadiana amin'ny gripan-kisoa
Nanomboka ny fanentanan'izy ireo momba ny gripan-kisoa ireo bilaogera Omaniana omaly tamin'ny alalan'ny fandehanana tao Souq Matrah mba hampiely hafatra sy hampianatra ny vahoaka.