Tantara mikasika ny Jordania
Afaka manome lesona ho an'ireo ‘Ngeza’ miankin-doha amin'ny solika ve i Jordania mikasika ny angovo azo havaozina?
Jordania irery no iray amin'ireo firenena ao anatin'ny tontolo Arabo manana tsena mahasarika ho an'ny varotra takelaka fakana herin'ny masoandro
Tontolo arabo: Miantso an'i Gaza sy ny ady ara-teknolojika atao amin'i Israely
Miantso ny mpamaky azy ireo bilaogera mba handray ny telefôniny ka hiantso ireo mponina ao Gaza mba hanome fanohanana azy ireo. Eo koa ny Palestiniana mpikatroka mandrisika ny mpamakiny hiantso ny manampahefana Israeliana - ary mandany ny fotoanan'izy ireo, ary mitoratoraka mailaka amin'ny fax-ndry zareo sy mameno hafatra ny fitoeran-taratasy.
AB14: “Tsy tokony hieritreritra isika fa hamaha izay olantsika rehetra ny teknolojia”

Nifantoka tamin'ny paikadin'ny fikarohana ny fiarovana amin'ny sivana sy ny fanaraha-maso ny fivoriana sy amin'ny fiarovana ny fifamatorana iombonana eo amin'ny toerana ahatsapana toa voasaratsaraka bebe kokoa hatrany isan'andro.
Palestina: Gaza eo ambany fahirano
Manampy ny feon'izy ireo ao anatin'ny tabataba iraisam-pirenena ny bilaogera manerana ny faritra satria tafiditra ao anaty haizina i Gaza. Nitarika fanakatonana ny tobin' herinaratra tokana ao amin'ny farittra noho ny tsy fisian'ny solintany ny fahirana efatr'andro nataon'i Israely.
Jordania: Manasazy filohan'ny klioba baolina kitra mpanakiana
Nipoitra ny tolakandron'ny tolakandron'ny 23 Desambra ny tatitra fa voampanga ho nanafika sy nanevateva ny manamboninahitra zandary iray i Tareq Sami Khoury ary voaheloka higadra roa taona an-tranomaizina.
Jordania: Natsangana ny lalàna momba ny heloka bevava amin'ny rafi-baovao nasiam-panovana
Nankatoavin'ny governemanta Jordaniana tamin'ny 29 Aogositra ny volavolan-dalàna farany amin'ny Lalàna momba ny heloka bevava amin'ny Rafi-baovao (Lalàna mifehy ny heloka atserasera) rehefa avy nanitsy ampahany maromaro tamin'ny lalàna izay niteraka adihevitra sy tsikera avy amin'ireo mpikatroka zon'olombelona sy ireo mpikatroka media.
Misioka momba ny fampielezan-kevi-pifidianana ny Jordaniana
Afaka mandefa fitaovana fampielezan-kevitra ho an'ny fifidianana amin'ny 9 novambra ankehitriny ireo kandidà parlemantera Jordaniana. Mameno ny arabe lehibe ankehitriny ireo afisy, ary iandian-kevitra be eo amin'ireo mpisera Twitter Jordaniana ny lohahevitra momba ireo fitaovana fampielezan-kevitra ireo. Saika miombon-kevitra avokoa, satria maneho fahasorenana amin'ireo afisy ny ankamaroan'ny sioka.
Jordania: Fanehoan-kevitra amin'ny fananganana governemanta vaovao
Taorian'ny fifidianana parlemantera tamin'ny 9 Novambra tao Jordania, nankatoavin'i Mpanjaka Abdulla ny governemanta vaovaon'ny praiminitra Samir Rifai tamin'ny Alarobia 24 Novambra. Feno fanehoan-kevitra ny Twitter, izay maro no nankasitraka ny fanendrena.
Jordania: Mpanao sariitatra politika mamazivazy ireo afisim-pifidianana
Manohy mifantoka amin'ny fifidianana parlemantera amin'ny 9 Novambra ny lahatsoratr'ireo mpanoratra Jordaniana ao amin'ny media sosialy, ka mitodika amin'ireo afisim-pifidianana manerana ny firenena, ary indrindra indrindra ao an-drenivohitra Amman. Mpisera Twitter iray, Mayousef, namazivazy ny 25 Oktobra,