Tantara mikasika ny Israely

Tontolo Arabo: “Tsy miteny hoe Israely intsony izahay…”

  10 Janoary 2021

Nahoraka be tamin'ny hetsika manerana ny tontolo Arabo ny hafatra iray tao amin'ny Twitter miantso ny Arabo hitsahatra hanonona hoe Israely nandritra ny fihodinana farany tamin'ny ady an-tserasera taorian'ny fanapoahan'ny Israeliana baomba an'i Gaza. Mitatitra avy eny ifotony i Anas Qetyh.

Maraoka: Ny Jodaisma ao Maraoka

  22 Aogositra 2020

Vetivety dia kivy izay mitady fanampimbaovao ety anaty aterineto momba ny jodaisma maraokàna: anelanelan'ny fitobahan'ireo rohy sy ny kalitao misavoritaka be ihany amin'ny torohay, matetika tonga eo ny sorisory. Hatreto, ilay tranonkala mamiratr'i Rick Gold - Visiting Jewish Morocco (fitsidihana ireo Jiosy ao Maraoka) - no lasa teboka fiaingàna tsy azo ihodivirana

Ny ady ao Afovoany Atsinanana sy ny valinteny mizarazaran'ireo blaogera indoneziàna

  04 Oktobra 2019

Amin'ny famerina ny lohatenin'ireo media iraisam-pirenena mikasika ireo fifandirana misy ankehitriny ifanaovan'i Israely ary i Libanona, sy eo amin'i Israely sy Palestina, lahatsoratra miresaka lohahevitra mitovitovy amin'izany no avoakan'ireo Indoneziana blaogera arahany amin'ireo fanehoankevitra sy valinteny isan-karazany; ireo mpomba sy ireo mpanohitra, ny fanohanana sy ny fanamelohan'ny lafiny roa.

Ejipta: Bilaogera misalasala (2009)

  21 Septambra 2019

Mitaky fahaizana mandanjalanja, fandeferana, ary fahamarinana ny fisalasalana. Nisafidy ny hisalasala i Mona Eltahawyary ary mangataka amin'ny olona mba hisafidy vahaolana i Amr Gharbeia.

Syria: ao an-tsainay i Gaza (2009)

  11 Septambra 2019

Maresaka be ny bilaogera Syriana hatramin'ny nisian'ny daroka baomba tany Gaza. Ho an'ny Syriana maro, noho ny fakana maripanondroana miorim-paka lalina sy ela tamin'ny vahoaka Palestiniana izany. Ho an'ny sasany indray, misy ny lafiny tena manokana