· Novambra, 2012

Tantara mikasika ny Israely tamin'ny Novambra, 2012

Isiraely: “Mahatsiaro Toy Ny Anaty Faritra An'ady i Ashdod “

  18 Novambra 2012

Tamin'ny 10 Novambra, nitifitra balafomanga tsy midaroka fiara mifono vy (anti-tank) tamin'ireo miaramila Isiraeliana mpanao fisafoana i Gaza tao amin'ny faritra Isiraeliana, ao amin'ny sisintanin'i Gaza sy Isiraely, ka naharatràna olona efatra. Novalian'i Isiraely tamin'ny alalan'ny tifitra an'habakabaka izany tao Gaza; ary avy eo novalian'ireo antoko miaramila sy ny Hamas...

Ligy Arabo Mikasika An'i Gaza: “Blah Blah… Blah Blah Blah”

  18 Novambra 2012

Mihaona ao amin'ny foibeny ao Kairo ny Ligy Arabo mba handinika ny momba an'i Gaza - ary tsy avy miaina ireo mpikirakira aterineto, na miandrandra vokatra tsara amin'ny mety ho fandraisana fepetra henjana.. Sultan AlQassemi tweets: "Fanavaozam-baovao mivantana avy amin'ny fivorian'ny Ligy Arabo momba ny herisetra ataon'i Israely ao Gaza: Tsy leferinay ny blah blah! Tsy maintsy izahay hijoro miaraka amin'ny blah blah bah.."

Miomana Hanao Fanafihana An-tanety Ao Gaza Ve Israely?

  17 Novambra 2012

Niomana hiatrika andro iray hafa hisian'ny zara baomba tsy an-kiato ny mponina ao Gaza, satria mandeha be ny vaovao momba ny mety hisian'ny fananiham-bohitra hataon'ny israeliana.Toy ny omaly, ilay Palestiniana biloagera ao Gaza dia nanome fanavaozam-baovao hatrany ho an'ireo mpanaraka tao amin'ny fampahalalam-baovao sosialy, isan'ora

“Niraraka Toy Ny Orana Ny Baomba Tao Gaza”

  16 Novambra 2012

Tsy natory i Gaza nandritra ny alina satria nanohy nanafika ny Palestiniana i Isiraely. Nanomboka ny toe-draharaha raha nifampitifitra i Isiraely sy Gaza – izay mbola mitohy hatramin'izao – rehefa matin'i Isiraely nandritra ny fanafihana an'habakabaka an'i Gaza ny mpitarika ara-miaramilan'ny Hamas antsoina hoe Ahmed Al-Jabari [afak'omaly]. Araka ny tatitra...

Mankalaza ny Faharesen'i Romney Ny Mpiserasera Isiraelianina

  10 Novambra 2012

anaraka akaiky ny fifidianana tany Etazonia ny mpiserasera Isiraelianina, maro tamin'izy ireo no niari-tory mandra-maraina hahitany hoe iza tamin'ny kandidà no nahahoatra ny isan'ny mpifidy lehibe 270 nilaina. Maro an'isa ny Isiraeliana ao amin'ny tambajotra an-tserasera sy ny tontolon'ny bilaogy no manana fironana ankavia ka manantena indray ny hahavoafidy an'i Obama