Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Febroary, 2019

Tantara mikasika ny Iràna tamin'ny Febroary, 2019

Iran:  Mikendry ireo tranonkala maneho fankahalana ny lehiben'ny fitsarana

(Marihina fa tamin'ny volana Jolay 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) “Nanao antso amin'ny fanenjehana ireo olona miasa amin'ny fantsom-pahitalavitra mandeha amin'ny zanabolana sy ireo tranonkala izay mihoa-pefy manohitra ny rafi-pitondrana efa mipetraka ny lehiben'ny fitsarana Iraniana ” araka ny tranokalam-baovao.

Iran: Bilaogera iharan'ny fanenjehana nahazo ny loka Theodor Haecker

(Marihina fa tamin'ny volana Aprily 2011 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Nomena ny loka loka Theodor Haecker i Shiva Nazar-Ahari, mpikatroka mpiaro zon'olombelona Iraniana sady bilaogera.

Iran: Nilaza i Ahmadinejad fa tokony hanana zo hiaro tena ny bilaogera 

(Marihina fa tamin'ny volana Aprily 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Araka ny lazain'ny fampitam-baovao Iraniana, nanambara ny filoha Mahmoud Ahmadinejad fa tokony hanana zo hiaro tena i Hossein Derakhshan, bilaogera Iraniana nogadraina sy i Roxana Saberi, mpanao gazety Amerikana-Iraniana izay voasazy higadra 8 taona an-tranomaizina.

Iran: Niakatra fitsarana ilay bilaogera nogadraina izay anisan'ny bilaogera tanora indrindra eto amin'izao tontolo izao

(Marihina fa tamin'ny volana Novambra 2010 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Nitatitra ny Reporters Sans Frontières (RSF) fa niakatra fitsarana teo anoloan'ny fitsarana revolisionera any an-tanandehibe Amol any avaratra ilay bilaogera nogadraina izay tanora indrindra amin'ireo bilaogera eto amin'izao tontolo izao, antsoina hoe Navid Mohebbi, 18 taona, ary tsy azon'iza...

Nanangana bilaogy miisa 40 ny IRGC, mpiambina revolisionera Iraniana

Nanambara ny IRGC (Mpiambina Revolisionera Iraniana) fa bilaogy efapolo mahery no natsangana hiadiana amin'ny fahavalon'ny IRGC ao amin'ny sehatra aterineto. Natao tao an-tanànan'i Arak, any atsimo-andrefan'ny faritanin'i Markazi ity hetsika ity.