· Febroary, 2019

Tantara mikasika ny Iràna tamin'ny Febroary, 2019

Iran: Voasivana ny Facebook sy Twitter

GV Mpisolovava  19 Febroary 2019

Tranonkala sy bilaogy Iraniana maro tahaka ny demokracy no nitatitra fa voasivana ny Facebook sy Twitter any Iran. Nilaza i Ghomar, fa te-handresy ny mpifanandrina aminy amin'ny fifidianana filoham-pirenena ny filoha Ahmadinejad satria maro kokoa izy ireo ao amin'ny tontolon'ny aterineto, tafiditra amin'izany ny Facebook.

Iran: Bilaogera voasazy higadra

GV Mpisolovava  18 Febroary 2019

Nitatitra ireo tranonkalam-baovao Iraniana maromaro, tahaka ny Amir Kabir [fa], tranonkalan'ny mpianatra fa voasazy higadra 36 volana an-tranomaizina i Omid Reza MirSyafi, Iraniana bilaogera sady mpanao gazety. Voampanga ho nanevateva ireo mpitondra fivavahana Iraniana sy nanao fampielezan-kevitra manohitra ny Repoblika Islamika izy.

Iran: Rehefa jerena amin'ny alalan'ny sivana ny aterineto

GV Mpisolovava  13 Febroary 2019

Manana fiarahamonina antserasera manan-danja eo amin'ny bilaogy mavitrika 60.000 i Iran ary olona hatramin'ny 20 tapitrisa no mifandray amin'ny aterineto. Satria mavitrika ny tontolon'ny aterineto Iraniana, dia toy izany koa ny fanivanana ataon'ny governemanta amin'ny votoaty azo idiran'ny olom-pirenena Iraniana.

Iran: Bilaogera iray tao anisan'ny mpitokona tsy nihinan-kanina

GV Mpisolovava  07 Febroary 2019

(Marihina fa tamin'ny 8 Aogositra 2010 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Iray tamin'ireo gadra politika Iraniana miisa 17 izay nanomboka ny fitokonany tsy nihinan-kanina tamin'ny faran'ny volana Jolay 2010 ho fanoherana ny fepetra henjana iainana any am-ponja, ny fihetsik'ireo manampahefanan'ny fonja, ary ny fandraràna ny fitsidihana i Kouhyar Goodarzi, mpikatroka...

Iran: Nanomboka ny fitsarana ilay bilaogera sangany 

GV Mpisolovava  06 Febroary 2019

(Marihina fa tamin'ny volana Aogositra 2009 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Nosamborina herinandro maromaro lasa izay noho ny fanoherana nipoaka tamin'ny fifidianana ho filoham-pirenena tamin'ny 12 jona i Mohammad Ali Abtahi , bilaogera sangany sady mpanao politika reformista. Iray amin'ireo mpanao politika reformista malaza izay nanomboka notsaraina (androany) tao Teheran...

Iran: Nahazo ny loka NPC i Goudarzi, ilay bilaogera voafonja 

GV Mpisolovava  05 Febroary 2019

(Marihina fa tamin'ny volana Aogositra 2010 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Nanambara ny Klioban'ny Gazety Nasionaly (NPC) fa ilay bilaogera Iraniana Kouhyar Goudarzi, izay notanana tao amin'ny fonjan'i Evin tao Tehran, fonja malaza ratsy amin'ny fampijaliana ireo voafonja, no nahazo ny loka ho an'ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovan-gazety iraisam-pirenena John Aubuchon 2010.

Iran: Atahorana ny ain'ilay bilaogera 

GV Mpisolovava  05 Febroary 2019

(Marihina fa tamin'ny volana Janoary 2011 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy)  Hrana , sampam-baovaon'ny mpikatroka mpandala ny zon'olombelona no mitatitra fa atahorana ny ain'i Hossein Maleki Ronaghi ary mila fitsaboana maika izy any am-ponja. Voasazy higadra 15 taona an-tranomaizina i Hossein Maleki Ronaghi. Iray amin'ireo mpikatroka an-tserasera lehibe ao ambadiky...