· Jona, 2017

Tantara mikasika ny Iràna tamin'ny Jona, 2017

Iran: Polisy Nandaka Vehivavy

  15 Jona 2017

Miady amin'ny vehivavy amin'ny lafiny roa fara fahakeliny ny manampahefana Iraniana. Andaniny, nalefa tany am-ponja ary nenjehina ny mpikatroka vehivavy nanao hetsi-panoherana ho amin'ny fitovian-jo. Ankilany, manohy ny famoretana manerana ny firenena ny polisy Iraniana izay mikendry ny hankatoavan'ny vehivavy ny fehezan-dalànan'ny fomba fitafy Islamika ao Iran.

Iran: Fisamborana sy Fandravàna

  15 Jona 2017

Nanohy ny politikany momba ny famoretana mihatra amin'ireo mpikatroka ny zon'ny vehivavy sy ny Silamo Sufi ny governemanta Iraniana tato anatin'ny herinandro vitsivitsy. Nosamborina andro vitsy lasa izay i Maryam Hosseinkhah, mpikatroka ny zon'ny vehivavy sady mpanao gazety, ary noravan'ny mpitandro ny filaminana ny Foiben'ny Silamo Sufi.

Iran: Fahatsiarovana An'i Rasoulov, Artista Mafana Fo

  13 Jona 2017

Iray tamin'ireo mpandeha miisa 68 izay namoy ny ainy tamin'ny fianjeran'ny Boeing 737 Iraniana tamin'ny faran'ny volana Aogositra tamin'ity taona ity i Mohsen Rasoulov, mpaka sary, mpanakanto, mpanao sariitatra ary bilaogeran-tsary Iraniana mafana fo iray .