Tantara mikasika ny Ejipta

Ejipta: Navotsotra ilay bilaogera Kareem El Beheiry

GV Mpisolovava  22 Mey 2019

(Marihina fa tamin'ny volana Jona 2008 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Navoaka tao am-ponja ny 2 Jona 2008 ilay bilaogera Ejiptiana Kareem El Beheiry . Nosamborin'ny polisy Ejiptiana i Kareem noho ny fifandraisany tamin'ny fitokonana ny 6 Aprily ho fanohanana ireo mpiasan'ny orinasan'ny lamba ao an-tanàndehiben'i Mahalla.

Palestina: Gaza eo ambany fahirano

  30 Avrily 2019

Manampy ny feon'izy ireo ao anatin'ny tabataba iraisam-pirenena ny bilaogera manerana ny faritra satria tafiditra ao anaty haizina i Gaza. Nitarika fanakatonana ny tobin' herinaratra tokana ao amin'ny farittra noho ny tsy fisian'ny solintany ny fahirana efatr'andro nataon'i Israely.

Ejipta: Ho avy tsy ho ela ny rindrina aroafon'i Shina

  29 Avrily 2019

Eo amin'ny kitendry ny ilan-tanan'ireo bilaogera Ejiptiana ary eo amin'ny fony ny ilan-tanana iray hafa. Taorian'ny famoretana vao haingana teo amin'ireo bilaogera sy mpikatroka an-tserasera taorian'ny fitroarana 6 Aprily, milaza mihitsy ny sasany fa mbola ho avy ny ratsy indrindra.