· Janoary, 2019

Tantara mikasika ny Ejipta tamin'ny Janoary, 2019

Ejypta: Bilaogera 2 Navotsotra ary iray hafa mbola tsy hita (podcast)

GV Mpisolovava  22 Janoary 2019

Navotsotra ny roa tamin'ireo bilaogera telo nosamborina tamin'ny 22 Jolay 2009. Navotsotra i Abdel Rahman Ayyash sy Magdy Saad rehefa notazonina nandritra ny enina andro tao amin'ny seranam-piaramanidin'i Cairo, ary avy eo nalefa tany amin'ny foiben'ny Sampan-draharaham-panjakana misahana ny Fitsikilovana (SSI) ao amin'ny Kianjan'i Lazoghly, (Cairo).

Ejipta: Voasakana ny tranonkalan'ny mpanohitra sangany

GV Mpisolovava  21 Janoary 2019

(Marihina fa tamin'ny volana May 2008 no nivoahan'ny lahatsoratra teny Anglisy) Araka ny tatitry ny Tambajotra Arabo misahana ny Vaovaon'ny Zon'olombelona dia nakaton'ny mpanome tolotra Aterineto, TE Data , mpanome tolotra lehibe indrindra any Ejipta izay an'ny governemanta nanomboka ny 4 Mey 2008 ny tranokalan'ny Hetsika Ejiptiana ho an'ny Fanovana –...

Ny Governemanta Ejipsiana sy ny fanagadrana mpikatroka aterineto

GV Mpisolovava  20 Janoary 2019

Antony maro sy tranga maro no nanampy tamin'ny firongatry ny haino aman-jery elektronika tany Ejipta. Ohatra, fanakorontanana ireo fampahalalam-baovao isan-karazany, toy ny gazety, fahitalavitra sy onjam-peo, ireo dingana sarotra amin'ny fananganana orinasa fampitam-baovao, fanivànana votoaty amin'ny fampitam-baovao alohan'ny famoahana, ireo karazana endrika famaizana mikendry mpanao gazety, sy ny hakelin'ny fahalalahana ary antony maro hafa.