Tantara mikasika ny Ejipta tamin'ny Desambra, 2018
Ny Tsiambaratelon'i Ejipta an-dahatsary
Iray amin'ireo lahatsary manala ny saron'ireo tsiambaratelo sy marina mahatsiravina any Ejipta ny "Hideous", mampiseho ny fifanoherana eo amin'ny fiainan'ireo mpanana tsy mivaky loha sy ireo mahantrana eny an-dàlambe. Ny "To H.E Mrs Suzanne Mubarak" kosa mitatitra ny fanararaotana ankizy, ny herisetra ataon'ny mpitandro filaminana ary ny fahantrana lalina.
Tontolo Arabo: Misioka ny Traikefa Hajj
Tamin'ireo Miozolomana 1.8 tapitrisa manao fivahiniana masina, na Hajj, mankao amin'ny tanàna masin'i Mecca, nanana fotoana vitsivitsy nangalarina izy ireo mba handefa hafatra amin'ny tarehintsoratra miisa 140 ho an'izao tontolo izao. Ireto misy sombintsombiny avy amin'ny resaka tao amin'ny tontolon'ny Twitter.
Masoarabo: Fihetsika mikomy sy fepetra ho an'ireo manampahaizana
Noho ny fahataperan'ny vanim-potoanan'ny fety ao amin'ny tontolon'ny Arabo, nanapa-kevitra ilay bilaogera Ejypsiana Kareem Amer fa hiova kely - nahatonga ny sasany amin'ireo mpamaky azy ho faly ary ny hafa tsy faly!
Ireo Nisongadina nandritra ny Fetiben'ny Rano tao Kambodza
Notanterahina ny 15-17 Novambra ilay Fetiben'ny Rano ("Bon Om Tuk"), fetibe mihetsiketsika indrindra ao Kambodza. Araka ny voalazan'i Jinja, manamarika ny fiandohan'ny maintany sy ny Bon Kathan (fomba Bodista fatao isan-taona izay anomezana akanjo rebareba vaovao ho an'ny moanina) io Fetibe io.
Masoarabo: Mahafatifaty ny vehivavy Ejypsiana
Fivarotan-tena, famorana ny vehivavy ary ny fiarahan'ny vavy samy vavy dia tsy zava-dratsy ferana ho an'ny vehivavy Ejypsiana, hoy ilay bilaogera Ejypsiana Tamr Heneh, tamin'ny taratasy misokatra ho an'ilay mpanolotra fandaharana, Dr Hala Sarhan.
Karohina ao Ejipta i Erin Brockovich
Nisy nitory ho anano fanalam-baraka sy fitenitenenana foana ny bilaogera Ejypsiana iray. Io mpanoratra ny bilaogy “El Hakika” io dia tsy maintsy mandoa L.E 2500 ho onitra sy L.E 40.000 ho onitra ho an'ny orinasa iray hita sary mandoto tontolo iainana !!