· Avrily, 2011

Tantara mikasika ny Ejipta tamin'ny Avrily, 2011

Ejipta: Mahatsiaro Ny Zava-nitranga Tao Bahr El-Baqar

  14 Avrily 2011

Iraikambiefapolo tana lasa izao, ny 8 Aprily 1970, ary nandritra ny Ady Mitarazoka Attrition, nodarohan'ny tafika Israeliana ny sekoly ambaratonga voalohany iray tao amin'ny tanana Ejiptiana Bahr el-Baqar, atsimon'i Port Said, any amin'ny faritany atsinanan'i Sharqia. ny Sekolin'i Bahr El-Baqar - sekoly iray misy efitrano telo sy mampiantrano mpianatra 150 - no simba, 30 amin'ny mpianatra tao no maty, 50 mahery no naratra mafy, ary marobe no nitondra takaitra. Ary taorian'ireo taona maro ireo, mbola mahatsiaro ilay vonomoka ny Ejiptiana.

Ejipta: Basboussa ho filoha!

  11 Avrily 2011

Nanambara tao amin'ny kaontiny Twitter ny mpanolotra fandaharana sady mpikatroka ejipsiana Bothaina Kamel fa mety hirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena ravehivavy. Indreto ny tora-po manohana sy manohitra izany.

Syria: Tafaverina soa aman-tsara any an-tranony ny anankiroa, mbola tsy hita kosa i Khaled El Ghayesh

  07 Avrily 2011

Anankiray amin'ireo lahatsoratra manokana momba ny fanoherana tany Syria 2011 ity . Tamin'ny herinandro lasa teo, ilay teratany amerikana ejipsiana Muhammad Radwan (fantatra amin'ny @battutta ao amin'ny Twitter) no nosamborina tany Syria satria nampangaina ho mpitsikilo sy nahazo fangatahana avy any ivelany handefa sary sy lahatsary momba an'i Syria. Tamin'ny 01 aprily, nilaza...