Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

· Janoary, 2011

Tantara mikasika ny Ejipta tamin'ny Janoary, 2011

Tohin

Ejipta: Taorian'ny Twitter, Voasakana koa Ankehitriny ny Facebook

  27 Janoary 2011

Nosakanan'i Ejipta koa androany ny fidirana amin'ny Facebook, tafiditra ao anatin'ireo fangiàzana ny fivezivezen'ny vaovao ataony, taorian'ny hetsi-panoherana omaly. Omaly ihany koa, nosakanany ny fidirana amin'ny Twitter, nokorontanina ny fifandraisana tamin'ny finday tamin'ireo faritra nifamorian'ny mpanao fihetsiketsehana, ary nobahanana ny fahafahana mandefa video mivantana tao amin'ny tranonkala Bambuser.

Ejipta: Nirotsaka ny Alina, Taorian'ny Andron'ny Haromotana

  27 Janoary 2011

Raha nirotsaka handrakotra an'i Ejipta ny haizin'ny alina, nitohy hatrany kosa ny hetsi-panoherana tao Cairo sy nanerana ny firenena. Toy izany koa ny tatitra momba ny herisetran'ny polisy, nefa koa ny hetsika maha-te-hidera avy amin'ireo mponina sy mpandraharaha eo an-toerana. Ho hita eo amin'ny maraina raha hitohy na tsia ny hetsika.

Tohin

Ejipta: Voasakana ny Twitter raha mbola mitohy kosa ny fihetsiketsehana

  26 Janoary 2011

Nanao dingana iray indray i Ejipta amin'ny adiny amin'ny Aterineto, ary dia nanapaka ny fifandraisana amin'ny finday any amin'ireo faritra nambara fa hifamorian'ireo mpanohitra an'arivony androany mandritra ny Andron'ny Revolisiona. Ny tanjona dia toa hifehezana ireo andiana mpanao fihetsehana sy hanakendana ny hetsika.

Liban: manohana ny fanoherana ny “Pinochet Arabo” ny mpitoraka bilaogy

  17 Janoary 2011

Niray feo tamin'ireo mpanao fihetsiketsehana tany Tonizia izay araka ny heno hatreto aloha dia olona 24 no maty ireo mpitoraka bilaogy any Liban. Fanehoana fiaraha-miory sy fanohanana ny tanora avy any Tonizia izay manohitra ny jadona sy ny kolikoly ary ny tsy fahaiza-mitantana ataon'ny filoha Zine el Abidine ben Ali,...

Ejipta: Mpitoraka bilaogy iray very asa noho ny bilaoginy

GV Mpisolovava  10 Janoary 2011

Tsy i Mohamed Maree no Ejiptiana voalohany mpitoraka bilaogy very asa noho ny zavatra nosoratany tany anaty bilaoginy, satria nialoha làlana azy i Founon sy Ahmed El Droubi ,  saingy izy no vao haingana indrindra very asa noho ny asa sorany. Velabelarin’ i Zeinobia bebe kokoa ny raharaha : “Maree...