Tantara mikasika ny Venezoela

Momba ny fifindrana

Ny Tetezana - The Bridge  13 Jolay 2019

Miaiky aho fa misy ny fikatsoan'ny alahelo manoloana ny endriky ny tatitra maro isan'andro. . .tahaka ny zara raha azo lazaina ho voambolana mety aminy ny fankahalana vahiny amin'ny heviny manokana.

Venezoela: Mpisera Facebook notànana noho ny fandefasana sary “manakorontana” 

GV Mpisolovava  10 Mey 2019

Roa andro taorian'ny fifidianana filoham-pirenena tany Venezoela, nosamborin'ny manampahefana i Andrés Rondón Sayago izay voalaza fa nanaparitaka ny sarin'ireo biletàm-pifidianana nodorana. Nilaza ny manampahefana fa nalaina nandritra ny fifidianana ny taona 2007 ireo sary  ireo fa tsy tamin'io fotoana io. Voampanga ho nizara ny sary tamin'ny "fikasana hanakorontana" i Rondón Sayago.

Amerika: Jery todika 2008

  07 Mey 2019

Nodarohan'ny tafika mitam-piadiana Kolombiana ny tobin'ny mpiady anaty akatan'ny Tafika Revolisionera Mitam-piadiana ao Kolombia (FARC) miorina ao anatin'ny sisintanin'i Ekoadaoro, niteraka olana ara-diplomatika teo amin'ireo firenena roa tonta izany. Miaraka amin'ny filoha Venezoeliana Hugo Chávez nandray anjara tamin'ny adin-teny, izay tsy ela dia nivadika ho krizy ara-tsisintany tanteraka.

Venezoela: Blogstock faharoa

  29 Avrily 2019

Nandritra ny roa andro, nivory faharoa izay fanao isan-taona ny tontolon'ny bilaogy Venezoeliana [ES] tao amin'ny toerana iray lavitry ny renivohitra mba hanao fety miaraka amin'ny tarika mozika sy ny toaka.  Blogstock no anaran'ny "fety". Tsy misy ny famelabelaran-kevitra na symposioma fa fetibe ao anatin'ny fiarahan'ireo mpinamana nomerika fotsiny izany.